Teny ho An’ny Ray Aman-dreny
Toetra mahatalanjona ny fitiavan’ny ray aman-dreny ny zanany. Sahala amin’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny, dia tsy isalasalana fa miahy ny amin’ny hanomezana ho an’ny zanakareo fiandohana tsara eo amin’ny fiainana ianareo.
Azo antoka anefa fa fantatrareo ny hoe tsy ampy ny manome azy ny sakafo sy ny fitafiana, ary koa ny mandefa azy any an-tsekoly mba hianatra. Mba hiatrehana ny fiainana amim-pahombiazana, dia mila mpitari-dalana ara-pitondran-tena ny ankizy, mila fotopoto-pitsipika azony ampifanarahana ny fiainany. Tokony homena azy dieny eo amin’ny fanombohan’ny fahazazany izany. Azo antoka fa hahita fahoriana maro ny ankizy izay diso aoriana loatra vao mahazo izany fanampiana izany.
Sahala amin’ny ray aman-dreny maro, dia mety ho somary sahiran-kevitra ianareo amin’ny famaritana izay hampianarinareo ny zanakareo sy izay tokony hanombohanareo. Raha ny marina, dia ao amin’ny Baiboly no ahitantsika ireo fotopoto-pitsipika tsara indrindra. Manome tombontsoa manokana ny fampianarana mifototra amin’io boky io. Noho izy io, dia tsapan’ny ankizy fa izay ampianarina azy dia tsy avy amin’ireo ray aman-dreniny fotsiny, fa avy amin’ny Mpamorona azy; sitrapony izany. Mampahavesa-danja ireo torohevitra raisiny izany.
Ao amin’ny Baiboly, dia mampirisika ny ray aman-dreny Andriamanitra mba hiahy manokana ny handentika fotopoto-pitsipika tsara ao an-tsain’ny zanany. Mety ho hitany fa mora kokoa ny manankina izany andraikitra izany amin’olon-kafa. Kanefa, ny fanaovana toy izany dia mitovy amin’ny fandavana tsy hahita fanandraman-javatra mitondra soa be dia be, amin’ny tsy fanararaotana ny fahafahana hanohina ny fon’ny zanakareo araka ny fombanareo manokana.
Ao amin’ny tokantrano maro, dia mifanalavitra tsikelikely ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Arakaraka ny itomboan’ny zanaka, dia matetika no tsikaritr’ireo ray aman-dreny fa mihasarotra kokoa ny miresaka zava-dehibe amin’izy ireo. Nomanina mba hanampiana anareo hisoroka izany tarehin-javatra izany itỳ boky hoe “Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe” itỳ. Natao ho azonareo sy ny zanakareo iaraha-mamaky izy itỳ, ary ambonin’izany, natao hampirisika ny ray aman-dreny sy ny zanaka hifampiresaka.
Mitaky valin-teny avy amin’ny zanakareo tokoa izy itỳ. Ao amin’ireo toko samy hafa ao anatiny, dia hahita fanontaniana mifanentana maro arahin’ny tsipipanohizana (—) ianareo, ka ny zava-kendreny dia ny hampahatsiaro anareo fa ilainareo ny miato sy mampirisika ny zanakareo hilaza hevitra. Tiany ny mahatsiaro ho voakasika. Raha tsy izany, vetivety aoka izany dia manjavona ny fahalianany. Mbola zava-dehibe kokoa ihany fa hanampy anareo hamantatra izay mameno ny sainy ireo fanontaniana ireo. Mazava ho azy fa mety hanome valin-teny lavitra dia lavitra ny fahamarinana izy. Nomanina mba hanampiana ireo ankizy hampitombo fiheverana tsara anefa ireo hevitra eo aorian’ny fanontaniana tsirairay avy.
Raha mianatra mamaky teny ny zanakareo, dia ampirisiho izy hiara-mamaky ny boky aminareo ary hamaky irery indraindray. Arakaraka ny hamakiany izany no hilentehan’ireo torohevitra tsara dia tsara raketiny ao an-tsainy sy ao am-pony. Kanefa, mba hanamafisana ireo fatorana ara-piraiketam-po sy feno fanajana mampiray anareo amin’ny zanakareo, dia aza manadino ny miara-mamaky itỳ boky itỳ aminy, ary izany dia tsy tapaka.
Misy andinin-tenin’ny Baiboly vitsivitsy voatondro eo amin’ny faran’ny toko tsirairay avy. Makà fotoana hiaraha-mijery izany. Amin’izany no hianaran’ny zanakareo sy ny tenanareo hampiasa amim-pahakingana ny Baiboly. Hazavao ireo andinin-teny ireo. Ataovy izay hahatonga ny teny sarotra rehetra hazava, toy ny efa ataon’itỳ boky itỳ rahateo. Amin’izany no hampitodihanareo ny sain’ny zanakareo ho amin’ny Baiboly, ilay mpitari-dalana tsara indrindra.
Mirary amim-pahatsorana izahay mba hanampian’itỳ boky itỳ anareo sy ny fianakavianareo, hiaina amin’ny fomba mahafaly ny Mpamorona, ka izany dia hitondra fitahiana mandrakizay ho anareo.
— NY MPAMPANONTA