FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g16 No. 1 p. 12-13
  • Fitsidihana An’i Liechtenstein

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana An’i Liechtenstein
  • Mifohaza!—2016
Mifohaza!—2016
g16 No. 1 p. 12-13
Tetezana mitafo eo ambonin’ny renirano iray any Liechtenstein

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Liechtenstein

Sarintany mampiseho an’i Liechtenstein sy ny sisin-tanin’i Soisa sy Aotrisy

IRAY amin’ireo firenena kely indrindra eran-tany i Liechtenstein. Any amin’ny tendrombohitr’i Alpes no misy azy, eo anelanelan’i Soisa sy Aotrisy. Ny Selta, ny Romanina, ny olona avy any Rhétie, ary ny Alamans no nipetraka tany nandritra ny taonjato maro. Tokony ho 1500 taona lasa izay ny fokon’ny Alamans no nanorim-ponenana tany, ary taranak’io foko io ny roa ampahatelon’ny mponina any.

Ny Alemà no fiteny ofisialy, nefa manana fitenim-paritra koa ny tanàna tsirairay. Anisan’ny sakafo mampiavaka an’io tany io ny Tüarka-Rebel, izay vita amin’ny katsaka, sy ny Käsknöpfle, izay paty asiana fromazy.

Roa amin’ireo sakafo mampiavaka an’i Liechtenstein

Käsknöpfle

Ramatoa sy ankizivavikely manao akanjo mampiavaka ny foko any Liechtenstein

Akanjo mampiavaka ny foko iray

Rehefa tonga any ny mpitsidika dia mahatazana tendrombohitra feno lanezy, lohasaha maitso mavana, tanimboaloboka, ary zavamaniry isan-karazany. Ahitana karazana orkide dia efa ho 50, ohatra, any. Misy tranombakoka sy trano fanaovana teatra ary toerana fanamboarana divay koa any. Be mpizaha tany àry any, na fahavaratra na ririnina.

Efa hatramin’ny 1920 tany ho any no nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Liechtenstein. Misy 90 eo ho eo izao izy ireo any, ary mampianatra an’izay lazain’ny Baiboly amin’ny tompon-tany sy ny vahiny.

Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny teny alemà ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Azo jerena ao amin’ny Internet koa izy io, ao amin’ny www.jw.org.

TOPY MASO

  • Mponina: 37 000

  • Renivohitra: Vaduz

  • Fiteny: Alemà

  • Fivavahana: Katolika ny ankamaroan’ny mponina

HAINAO VE?

Iza amin’ireto no mahalaza an’i Liechtenstein?

  1. A. Anisan’ireo firenena roa voahodidina tany tsy manana morontsiraka.

  2. B. Ahitana karazana biby mampinono 50 mahery.

  3. D. Ahitana karazana zavamaniry 1600 eo ho eo.

  4. E. Firenena tsy manana tafika.

Valiny: Marina daholo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara