FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 12/15 p. 3
  • Inona no Mahatonga ny Fifamaliana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Mahatonga ny Fifamaliana?
  • Mifohaza!—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Nihavana Indray i Jakoba sy Esao
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Nisetra Loza Izy mba Hiarovana ny Fianakaviany
    Manehoa Herim-po ho An’Andriamanitra
  • Jakoba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • ‘Mitadiava fihavanana ka manaraha izany’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 12/15 p. 3
Ankizy leo mihaino ny ray aman-dreniny miady

MATOAN-DAHATSORATRA | AHOANA NO HAMPILAMINA NY TOKANTRANO?

Inona no Mahatonga ny Fifamaliana?

HOY i Sarah,a any Ghana, izay efa nanambady an’i Jacob nandritra ny 17 taona: “Ny vola matetika no mampiady anay. Tezitra aho satria miezaka be aho mikarakara ny tokantranonay, nefa tsy resahin’i Jacob amiko mihitsy ny fandehan’ny volanay. Herinandro maromaro izahay tsy mifampiteny.”

Hoy i Jacob: “Misy fotoana tokoa izahay mifanao teny mandratra, satria tsy mifankahazo resaka na tsy mifampiresaka tsara. Lasa mifamaly koa izahay rehefa samy entim-po.”

Mipetraka any Inde i Nathan, ary nanambady vao haingana. Nivazavaza tamin’ny rafozambaviny ny rafozandahiny indray mandeha. Hoy i Nathan: “Tezitra be ilay rafozambaviko dia lasa nandeha. Rehefa nanontaniako ilay rafozandahiko hoe naninona izy no nivazavaza, dia izaho indray no nolazainy fa namingavinga azy. Nivazavaza taminay rehetra izy avy eo.”

Efa tsapanao koa angamba fa mety hampifamaly ny resaka rehefa tsy mety ny fotoana na ny fomba ilazana azy. Mety hilamina tsara ilay izy amin’ny voalohany fa avy eo lasa ady. Tsy vitan’ny olombelona tsy lavorary ny hoe hilaza zavatra mety foana. Mety ho mora diso fandray ny zavatra lazain’ny hafa àry ianao na hitsaratsara ny antony anaovany zavatra. Afaka ny hanana fiainana milamina ihany anefa ny fianakavianao.

Inona no azonao atao rehefa raikitra ny fifamaliana? Inona no azonao atao mba hampilamina indray ny tokantranonao? Inona no nataon’ny fianakaviana maro mba hifankatia foana ny mpianakaviny? Vakio indray ny tohiny.

a Novana ny anarana sasany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara