FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/15 p. 14-15
  • Nifikitra Tamin’ny Zavatra Inoany Izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nifikitra Tamin’ny Zavatra Inoany Izy
  • Mifohaza!—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Manova ny Fomba Fijeriny ny Dokotera Raha ny Amin’ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra
    Mifohaza!—1998
  • Nampahalaza ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra ny Vavolombelon’i Jehovah
    Mifohaza!—2005
  • Mihabe Mpangataka ny Fitsaboana sy ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra
    Mifohaza!—2000
  • Famonjena ny aina amin’ny alalan’ny ra — Amin’ny fomba ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 8/15 p. 14-15

Nifikitra Tamin’ny Zavatra Inoany Izy

Resadresaka tamin’i Song Hee Kang

Song Hee Kang

Tamin’i Song Hee 11 taona, dia tsikaritry ny reniny fa nivilana ny hazondamosiny. Hitan’ny dokotera fa voan’ny skôliôzy izy. Mety hivilana hoatran’ny paozin’ny litera “C” na “S” ny hazondamosina rehefa voan’io aretina io. Nihombo ilay izy ka nila nodidiana i Song Hee. Tsy nanaiky hampidiran-dra anefa izy. Nanontany azy momba an’izany ny “Mifohaza!”

Afaka nitsabo anao tsara ve ny dokotera, rehefa fantatra hoe voan’ilay aretina ianao?

Dokotera roa no nanara-maso ny fahasalamako nandritra ny telo taona teo ho eo, nefa nihanivilana foana ny hazondamosiko. Nanomboka nanery ny foko sy ny havokavoko mihitsy aza ilay izy, dia lasa sarotra tamiko ny nifoka rivotra. Fandidiana ihany no vahaolana.

Nanaiky hodidiana ve ianao?

Ie! Fa niteny ny dokotera hoe tena ho sarotra ilay izy, satria efa nivilana 116 degre ny hazondamosiko. Olana ho an’ahy koa anefa ilay fandidiana, satria izaho tsy manaiky hampidiran-dra, noho ny zavatra inoako avy ao amin’ny Baiboly.a

Nahita mpandidy vonona hanao an’izany ve ianao?

Nanatona manam-pahaizana momba ny skôliôzy teto Floride izahay sy Neny. Fa rehefa niteny aho hoe tsy manaiky hampidiran-dra, dia hoy izy hoe tsy hisy dokotera hanaiky handidy ahy izany satria sarotra be ilay fandidiana. Nolazainy koa fa ho faty alohan’ny faha-20 taonako aho raha tsy didiana. Vao 14 taona aho tamin’izay.

Nohazavainao taminy ve ny antony tsy anekenao hampidiran-dra?

Ie. Hoy aho hoe miorina amin’ny Baiboly ilay izy, satria nilaza Andriamanitra fa masina daholo na ny ran’olona na ny ram-biby.b Ny Israelita aza raha vao nihinan-dra dia novonoina.c Nasehoko azy koa ny Asan’ny Apostoly 15:19, 20. Voalaza ao fa tokony ‘hifady ny ra’ ny Kristianina. Tsy tokony hampidirina ao amin’ny vatana ilay izy, na ao am-bava izany na amin’ny lalan-dra.

Dia ahoana hoy ilay mpandidy?

Mbola nanizingizina ihany izy hoe tsy maintsy hampiditra ra. Nilaza koa aza ny hopitaly hoe raha manaiky hampidiran-dra aho, dia ho maimaim-poana ilay fandidiana.

Dia inona no nataonareo mianaka?

Tsy niova hevitra izahay, na dia hoatran’ny tsy nisy dokotera nanaiky hanao fandidiana tsy ampiasana ra aza. Niampy aza ilay olana satria izaho mbola tsy ampy taona, dia lasa niakatra fitsarana ilay raharaha. Soa ihany fa nanome anay 30 andro ilay mpampanoa lalàna eto Floride, mba hitadiavanay mpandidy hanaja ny faniriako.

Dia nahita ve?

Ie! Nisy manam-pahaizana momba ny skôliôzy, tany New York, nantsoin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Nanaiky hijery ahy izy, dia tratranay ilay fotoana nomen’ny fitsarana.d

Nanao ahoana ilay fandidiana?

Nety tsara mihitsy! Nanisy vy tao amin’ny lamosiko ny Dr. Robert Bernstein, mba hanitsiana ny hazondamosiko. Indroa no nanaovany an’ilay fandidiana ary tapa-bolana ny elanelany.

Nahoana no indroa?

Raha very ra be aho amin’ilay fandidiana voalohany, dia afaka mamokatra liomena ny vatako mandra-pahatongan’ilay faharoa. Kely fotsiny anefa ny rako very tamin’ireo fandidiana roa ireo, satria tena nahay sy nitandrina tsara ilay ekipa nanao ny fandidiana. Vetivety koa aho dia sitrana, nefa raha nampidiran-dra aho dia mety tsy ho hoatr’izay.e

Nanao ahoana ny fihetseham-pon’ilay mpandidy?

Tokony hihevitra an’izay rehetra mombamomba an’ilay olona marary ny dokotera

Faly be izy! “Tsy mandidy fotsiny” hoy izy “no atao hoe mitsabo.” Nilaza izy fa tokony hihevitra an’izay rehetra mombamomba an’ilay olona marary ny dokotera, anisan’izany ny zavatra inoany. Betsaka no miombon-kevitra amin’izany, na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza.

a Vavolombelon’i Jehovah ny renin’i Song Hee. Mitovy fivavahana aminy koa i Song Hee, ary natao batisa tamin’ny 2012, tamin’izy 16 taona.

b Genesisy 9:3-5.

c Levitikosy 17:10-14.

d Ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly no manampy ny Vavolombelon’i Jehovah hahita dokotera afaka mitsabo azy ireo tsara nefa tsy mampiasa ra.

e Namoaka lahatsoratra momba ny voka-dratsin’ny fampidiran-dra ny Vaomiera Momba ny Fanatsarana ny Fitsaboana, any Nouvelle-Galles Atsimo, any Aostralia. Hoy izy io: “Tambatsela velona no afindra rehefa manao fampidiran-dra. Efa voajanahary amin’ny vatana anefa ny hoe tsy tia an’izay zava-baovao tafiditra ao anatiny. Misy vokany be eo amin’ny fahasalamana izany.”

MOMBAMOMBA NY SKÔLIÔZY

Sary mampiseho hazondamosina mivilana

Hazondamosina Mivilana

  • Tsy ny fijoro na fipetraka tsy mety, na ny kalsioma tsy ampy no mahatonga ny skôliôzyf

  • Tsy areti-mifindra ny hazondamosina mivilana

  • Tsy manitsy an’ilay hazondamosina ny fitaovana fanitsiana apetaka eo amin’ny vatana, fa mety hisakana an’ilay izy tsy hivilana be

  • Tsy misy vokany eo amin’ny fiterahana ny fandidiana skôliôzy

  • Mbola tsy misy fomba azo isorohana ny ankamaroan’ny aretina mampivilana hazondamosina aloha hatreto

  • Ela kokoa vao sitrana ny taolan’ny olona mifoka sigara

f Loharanon-kevitra: Hazondamosina Mivilana: Toro Lalana ho An’ireo Voan’ny Skôliôzy sy Kyfôzy (anglisy); “Aretina sy Toe-pahasalamana: Skôliôzy”, navoakan’ny Hopitaly Mayo, any Etazonia.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara