FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 7/15 p. 8-9
  • Fitsidihana An’i Mongolia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana An’i Mongolia
  • Mifohaza!—2015
Mifohaza!—2015
g 7/15 p. 8-9
Mongol eo ivelan’ny tranolay boribory

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Mongolia

Sarintany mampiseho ny toerana misy an’i Mongolia

MIARAMILA nahery fo i Gengis Khan, izay velona tamin’ny taonjato faha-12. Izy no namorona ny Fanjakan’ny Mongol. Ampahany kely amin’io fanjakana io sisa no misy an’i Mongolia ankehitriny. Eo anelanelan’i Chine sy Rosia no misy azy io, ary izy no anisan’ny firenena vitsy mponina indrindra eran-tany.

Samy hita any Mongolia na renirano, na sakelidrano, tendrombohitra mijoalajoala, havoana mitomandavana, ary tany lava volo. Any amin’ny faritra atsimo no misy ny Tany Efitr’i Gobi, izay mbola ahitana taolana dinôzôro. Avo toerana i Mongolia, satria any amin’ny 1 580 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina no misy azy. “Ilay Tanin’ny Lanitra Manga” no iantsoan’ny tompon-tany an’io firenena io. Mandritra ny valo volana mahery isan-taona mantsy i Mongolia no ravahan’ny lanitra tsy semban-drahona.

Leopara mahatanty lanezy

Leopara mahatanty lanezy

Mahatratra 40 degre ny hafanana any Mongolia rehefa vanin-taona mafana, nefa tafidina hatrany amin’ny 40 degre ambanin’ny zero rehefa ririnina. Efa ho ny ampahatelon’ny mponina no mpifindrafindra monina. Tia mifoha maraina ry zareo na lahy na vavy, ary ny mitery ronono no ataony vaindohan-draharaha. Akany ronono daholo na osy na omby na rameva na soavaly. Misy ronono ny sakafon’ny Mongol, amin’ny ankapobeny. Tia hena koa ry zareo, indrindra fa ny henan’ondry.

Mofo habobo nohamainina

Mofo vita amin’ny habobo, ahahy amin’ny masoandro

Tia mandray vahiny ny Mongol. Avelany hidanadana ny varavaran’ny tranolainy, amin’izay ny mpandalo afaka maka aina ao sy mihinana an’izay sakafo nomanina ho azy. Dite mafana misy ronono nasiana sira kely mazàna no aroso ho an’ny vahiny.

Mbola mahazo vahana ny Bodisma any Mongolia. Tsy dia misy firy ny Silamo sy Kristianina ary olona manaraka ny fivavahana nentin-drazana, fa maro kosa ny olona tsy mpivavaka. Misy Vavolombelon’i Jehovah 350 mahery any, ary olona 770 mahery no ampianarin’izy ireo Baiboly. 

Rameva misy trafony roa mitondra entam-be

Hita mitondra entana eny foana ny rameva misy trafony roa, na dia amin’ny andro mangatsiaka be aza

TOPY MASO

  • Mponina: 2 713 000

  • Renivohitra: Oulan-Bator

  • Fiteny: Mongol, rosianina, ary tiorka

  • Zavatra tena aondrany: Varahina, arin-tany, volamena, ary volon’osy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara