FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 4/15 p. 8-9
  • Fitsidihana An’i Honduras

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana An’i Honduras
  • Mifohaza!—2015
Mifohaza!—2015
g 4/15 p. 8-9
Morontsirak’i Honduras

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Honduras

Sarintanin’i Honduras

MIDIKA hoe “Lalina” ny hoe Honduras amin’ny teny espaniola. Io angamba no notenenin’i Christophe Colomb, rehefa hitany ny ranomasina teo amin’ny morontsiraka atsinanan’ilay faritra. Misy milaza fa izay no nahatonga ny anaran’ilay tany hoe Honduras.

Miray hina be ny fianakaviana any, sady tsy misara-mianakavy. Miara-midinika tsara koa ny mpivady rehefa hanapa-kevitra momba ny fianaran’ny ankizy, ny fandaniana ao an-trano, na ny zava-dehibe hafa.

Metisy ny ankamaroan’ny olona any, izany hoe taranaky ny tompon-tany sy ny Eoropeanina. Misy foko atao hoe Chortí any, ary tena tompon-tany ny razamben’izy ireo. Misy foko hafa koa any, anisan’izany ny Garifuna, izay mpiavy ny razambeny.

Lehilahy avy amin’ny foko garifuna mively amponga

Lehilahy avy amin’ny foko garifuna mively amponga

Ny Garifuna dia taranaky ny Afrikanina sy foko indianina atao hoe Karaiba, izay nipetraka tao amin’ny Nosy Saint-Vincent. Tonga tao amin’ny Islas de la Bahía (Nosy Baie) izy ireo tamin’ny 1797. Tatỳ aoriana dia nonina tany Amerika Afovoany izy ireo, tany amin’ny morontsiraka atsinanana. Niparitaka nanerana an’i Amerika Afovoany sy Amerika Avaratra izy ireo avy eo.

Tia mandihy be ry zareo, sady mihetsiketsika be ilay dihiny satria manaraka ny ngadon’ny amponga. Tena marevaka ny akanjo nentim-paharazana any. Fanao any koa ny mitantara angano. Anisan’ny sakafo mampiavaka azy ireo ny ereba, izay mofo mangahazo mitapelaka be.

Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 400 eo ho eo any Honduras. Atao amin’ny teny espaniola ny fivorian’izy ireo, ary misy koa amin’ny teny anglisy, garifuna, miskito, sinoa mandarin, ary Tenin’ny Tanana any Honduras.

Mofo mangahazo ereba

Ereba, mofo mangahazo mitapelaka be

TOPY MASO

  • Mponina: 8 111 000

  • Renivohitra: Tegucigalpa

  • Fitondram-panjakana: Repoblika demokratika

  • Fiteny: Espaniola

  • Toetany: Mafana sady be orana. Mangatsiatsiaka ny faritra be tendrombohitra

  • Vohon-tany: Maherin’ny telo ampahefatr’ilay faritra no ahitana tendrombohitra. Maromaro ny nosy any, ary misy lemaka any amoron-tsiraka

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara