FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 10/14 p. 10-11
  • Fitsidihana An’i Belize

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana An’i Belize
  • Mifohaza!—2014
Mifohaza!—2014
g 10/14 p. 10-11
Morontsiraka any Belize

TANY SY MPONINA | BELIZE

Fitsidihana An’i Belize

Sarintanin’i Belize

FIRENENA kely i Belize, nefa maro isan-karazany ny zavatra mahafinaritra any. Misy ala mikitroka any, ary manga manopy maitso ny ranomasina, sady misy nosy kely be dia be eny akaikin’ny morontsiraka. Vao santionany fotsiny anefa ireo.

Karazam-biby sy vorona an-jatony no misy any Belize. Anisan’izany ny tokà, ilay vorona manana vava mareva-doko. Ao koa ny tapir, biby lava orona iray tarika amin’ny tokantandroka, izay tena mahery mandeha na an-tanety na anaty rano! Hita any Belize koa ny jagoara, ary any no misy ny toeram-piarovana jagoara voalohany indrindra eran-tany.

Jagoara

Any Belize no misy ny toeram-piarovana jagoara voalohany eran-tany

Anisan’ny faritanin’ny foko maya i Belize taloha. Tonga ny Espaniola mpanjana-tany tamin’ny taonjato faha-16, nefa mbola tsy resy tanteraka ny Maya. Tonga koa ny Anglisy tatỳ aoriana, ka naka an-keriny an’ilay tany. Lasa zanatany anglisy àry i Belize tamin’ny 1862, ka nantsoina hoe Honduras Britanika. Nahazo fahaleovan-tena ilay firenena tamin’ny 1981.

Misy foko isan-karazany any Belize. Anisan’ny tompon-tany voalohany ny Kreôla, Indianina tatsinanana, Garifuna, Maya, ary Mestizo (metisy espaniola sy maya). Sariaka sy mahalala fomba ny olona any. Rehefa miresaka amin’ny olon-dehibe ny ankizy, dia matetika no manao hoe “Madama” na “Ramose”, sady miteny hoe “tompoko.”

Vehivavy belizeanina roa eny an-tsena

Tsena ao amin’ny Tanànan’i Belize

Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maro any Belize, amin’ny teny anglisy, tenim-paritra alemà, espaniola, kreôla, maya (mopán), sinoa mandarin, ary Tenin’ny Tanana Amerikanina. Olona 1 ao anatin’ny 40 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tamin’ny 2013. 

FANTATRAO VE? Maherin’ny 290 kilaometatra ny haran-dranomasina any Belize. Ampahan’ilay haran-dranomasina faharoa eran-tany izy io. Ny Haran-dranomasina Lehibe any Aostralia no lava indrindra eran-tany.

Haran-dranomasin’i Belize

Misy ampahan’ilay haran-dranomasina faharoa eran-tany any Belize

TOPY MASO

  • Mponina: 333 000

  • Renivohitra: Belmopan

  • Fitondram-panjakana: Miankina amin’ny antenimiera

  • Fiteny: Anglisy, espaniola, kreôla

  • Toetany: Mafana sy be orana

  • Vohon-tany: Be tendrombohitra any afovoan-tany, sady misy ala mikitroka sy heniheny. An-jatony ny nosy sy nosikely any amoron-tsiraka, izay ahitana hazo honko maniry any anaty rano

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara