FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 7/14 p. 10-11
  • Fitsidihana An’i Irlandy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana An’i Irlandy
  • Mifohaza!—2014
Mifohaza!—2014
g 7/14 p. 10-11
[Sary, pejy 10]

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Irlandy

[Sarintany, pejy 10]

MIZARA ho firenena roa i Irlandy, dia i Irlandy Avaratra izay anisan’i Royaume-Uni, sy ny Repoblikan’i Irlandy izay lehibe kokoa.

[Sary, pejy 11]

Vato mainty na bazalta

Antsoina hoe “Nosy Emeraoda” i Irlandy. Avy be foana mantsy ny orana any, ka maitso mavana ilay toerana ary toy ny vatosoa rehefa tazanina. Ahitana renirano sy farihy tsara tarehy koa any, sady misy havoana sy tendrombohitra any amin’ny morontsiraka, ka mahafinaritra erỳ izay jerena.

[Sary, pejy 11]

Trano tafo bozaka

Tena niaritra ny mafy ny mponin’i Irlandy. Tamin’ny 1845 ka hatramin’ny 1851, ohatra, dia nisy aretina ny ovy nambolena tany ka lo daholo. Olona iray tapitrisa teo ho eo àry no matin’ny mosary sy aretina. Be dia be ny nahantra ka lasa nitsoa-ponenana nankany Aostralia, Grande-Bretagne, Kanada, ary Etazonia. Amerikanina 35 tapitrisa eo ho eo izao no fantatra hoe taranaka Irlandey.

Olona sariaka sy tia mandray vahiny ny Irlandey. Anisan’ny fialam-boly tena tian’izy ireo ny mitaingin-tsoavaly. Be mpankafy ny baolina, ka anisan’izany ny kitra, baolina lavalava, ary eo koa irony lalao mampiasa hazo fikapohana baolina irony, toy ny cricket. Ry zareo aza mbola manana karazana lalao baolina, izay sady raisina tanana no dakana (antsoina hoe foot gaélique). Malaza any koa ilay lalao baolina atao hoe camogie, ka ny vehivavy no tena mpanao azy io.

Tia miresadresaka ny olona any Irlandy, sady tia mozika. Malaza eran-tany ny dihy mampiavaka ny Irlandey. Haingana be ny fihetsiky ny tongotr’ireo mpandihy, nefa miaraka tsara daholo. Ny tapany ambony kosa tsy mihetsika fa mahitsy be.

[Sary, pejy 11]

Mpanakanto irlandey

Efa 100 taona mahery izao no nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Irlandy. Vavolombelona 6 000 mahery no mipetraka any, ary tena mazoto mampianatra Baiboly izy ireo.

[Sary, pejy 11]

Ireto avy ny karazana zavamaneno mampiavaka ny Irlandey (jereo ny sary, havia miankavanana): Harpa selta, sodina misy kitapon-drivotra, karazana lokanga, angorodao, sodina, ary amponga irlandey

FANTATRAO VE?

Misy faritra feno vato mainty na bazalta any amin’ny morontsiraka avaratr’i Irlandy Avaratra. Avy amin’ny ranoka volkano ireo vato ireo, saingy lasa toy ny hoe voatefy mahitsy sady lavalava rehefa nivaingana tao anaty ranomasina.

TOPY MASO

  • Mponina: 4 500 000 eo ho eo ny any amin’ny Repoblikan’i Irlandy, ary 1 800 000 eo ho eo ny any Irlandy Avaratra

  • Renivohitra: Dublin (Repoblikan’i Irlandy) sy Belfast (Irlandy Avaratra)

  • Fiteny: Irlandey sy anglisy

  • Toetany: Tsy mafana loatra ary avy matetika ny orana

  • Fivavahana: Katolika no betsaka any amin’ny Repoblikan’i Irlandy, ary Protestanta sy Katolika kosa ny any Irlandy Avaratra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara