FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 4/14 p. 12-13
  • Fitsidihana An’i Kambôdza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana An’i Kambôdza
  • Mifohaza!—2014
Mifohaza!—2014
g 4/14 p. 12-13
[Sary, pejy 12]

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Kambôdza

[Sarintany, pejy 12]

INONA no ho hitanao raha tonga any Kambôdza ianao? Trano be dia be eny ambony rano, sy tsena feno olona misomebiseby. Ao koa ireo môtô mpitatitra entana isan-karazany, na akoho izany na frizidera. Vao santionany fotsiny anefa ireo!

Malaza ho sariaka sy tsara fanahy ary miray hina ny olona any Kambôdza. Na tsy mifankahalala akory aza izy ireo, dia matetika no mifampiantso hoe zoky, zandry, dadatoa, nenitoa, dadabe, na bebe.

[Sary, pejy 13]

Misy olona mipetraka amin’ny tranosambo, na trano misy tongo-kazo, na koa trano ambony hazo fisaka natambatambatra fotsiny. Indraindray aza eny ambony rano koa ny sekoly, hopitaly, tsena, ary fivarotan-dasantsy

[Sary, pejy 13]

Voankazo be mpitia any ny raketa mena

Tena tia mihinam-bary ny Kambôdzianina. Ankafizin’izy ireo koa ny trondro. Misy karazany telo na efatra ny sakafo indray aroso, ka anisan’izany matetika ny lasopy. Samy arosony eo ny mamy, ny masira, ary koa ny marikivy.

Roa arivo taona lasa teo ho eo izay, dia nisy Karàna mpivaro-mandeha nandalo ny morontsirak’i Kambôdza, isaky ny hankany Chine. Nitondra landy sy metaly izy ireo, mba hatakalo zavamanitra, hazo mani-pofona, ivoara, ary volamena. Lasa nanaraka ny fanao avy any Inde sy Chine ny Kambôdzianina rehefa nandeha ny fotoana, ka nihamaro ireo nanaraka ny Hindoisma sy Bodisma. Maherin’ny 90 isan-jaton’ny mponina any izao no Bodista.

Miresaka hafatra manome fanantenana avy ao amin’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah any. Maro no efa nampian’izy ireo, tamin’ny alalan’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Misy amin’ny fiteny 250 izy io, anisan’izany ny kambôdzianina.

[Sary, pejy 13]

Olona 1 500 mahery no mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mahita ny valin’ny fanontaniana toy ny hoe “Aiza no misy ny maty?” sy hoe “Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany?”

TOPY MASO

  • Mponina: 14 tapitrisa eo ho eo

  • Renivohitra: Phnom Penh

  • Toetany: Mafana na mafana be, misy fahavaratra sy vanin-taona maina

  • Zavatra aondrana: Akanjo, hazo, fingotra, vary

Misy amin’ny teny kambôdzianina (jereo ny sary) ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara