FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 3/14 p. 10-11
  • Fitsidihana An’i Salvadaoro

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana An’i Salvadaoro
  • Mifohaza!—2014
Mifohaza!—2014
g 3/14 p. 10-11
[Sary, pejy 10]

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Salvadaoro

[Sarintany, pejy 10]

CUSCATLÁN na “Tanin’ny Vatosoa” no niantsoana an’i Salvadaoro taloha. Tamin’ny 500 taona lasa no tonga tany ny Espaniola, ka nifanambady tamin’ny tompon-tany. Taranaky ny tompon-tany sy Eoropeanina izao ny ankamaroan’ny olona any.

Sariaka sy mazoto miasa ny mponina any, sady manaja sy mahalala fomba. Miarahaba foana ny olona, na dia rehefa hividy zavatra aza. “Buenos días” no fiarahabana rehefa maraina, ary “buenas tardes” rehefa tolakandro. Any ambanivohitra aza, heverin’ny olona ho tsy mahalala fomba ianao raha mahita mpandalo nefa tsy miarahaba.

[Sary, pejy 11]

Nisy vokany teo amin’ny tantaran’i Salvadaoro ny fambolena kafe

Sakafo malaza any ny pupusa: Tsaramaso sy fromazy, fonosina amin’ny mofo fisaka vita amin’ny katsaka na vary. Azo asiana henan-kisoa na zavatra hafa koa ao anatiny. Matetika ilay izy no aroso miaraka amin’ny saosy voatabiha sy curtido, izay tsy inona fa lasary laisoa sy karaoty ary tongolo nampiana sakay. Raisina amin’ny tanana ilay izy, na dia misy ihany aza mampiasa forsety sy antsy.

[Sary, pejy 11]

Sakafo be mpitia ny pupusa

[Sary, pejy 11]

Riandranon’i Los Tercios, any Suchitoto

FANTATRAO VE? Antsoina hoe tany be volkano i Salvadaoro. Misy volkano maherin’ny 20 any, ary mbola mety hipoaka ny sasany. Eo amin’ny Riandranon’i Los Tercios koa ahitana vato mahavariana, izay lavalava mitsangana sady misy rirany. Ary mbola volkano koa no nahatonga izany.

Misy Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 38 000 any Salvadaoro. Mizara ho fiangonana 700 eo ho eo izy ireo, ary mampianatra Baiboly olona 43 000, amin’ny teny espaniola sy anglisy ary tenin’ny tanana.

TOPY MASO

  • Mponina: 6 267 000

  • Renivohitra: San Salvador

  • Fiteny: Espaniola

  • Toetany: Mafana be ny morontsiraka sy ny lemaka any afovoan-tany, fa mangatsiatsiaka kosa ny faritra avo

  • Vohon-tany: Betsaka ny tendrombohitra marin-tampona

HAINAO VE?

Marina sa diso?

  1. A. I Salvadaoro no firenena kely indrindra any Amerika Afovoany.

  2. B. Raha jerena ny salanisan’ny mponina isaky ny velaran-tany, dia i Salvadaoro no be olona indrindra any Amerika Afovoany.

  3. D. Masiaka be ny ankamaroan’ny sakafo any Salvadaoro.

  4. E. Tena nanova ny tantaran’i Salvadaoro ny fambolena kafe.

Valiny: Marina ny A sy B ary E. Diso kosa ny D. Mpizaha tany maro no milaza fa tsy dia masiaka ny sakafo any.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara