FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 12/13 p. 8-9
  • Fitsidihana An’i Brezila

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana An’i Brezila
  • Mifohaza!—2013
Mifohaza!—2013
g 12/13 p. 8-9

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Brezila

Feijoada: Sakafo matsiro fahita any Brezila

Toucan

TANTSAHA sy mpihaza daholo ny olona tany Brezila taloha. Tatỳ aoriana, dia tonga tany ny Portogey mpikaroka toerana vaovao. Lasa nisy Fivavahana Katolika àry tany. Nanjary hita etsy sy eroa ny fiangonana, ary ny sasany aza noravahana sary sokitra hazo norakofana volamena mihitsy.

Nisy andevo afrikanina an-tapitrisany nentina tany Brezila, teo anelanelan’ny taonjato faha-16 sy faha-19, mba hamboly. Mbola nanaraka ny fomban-drazany ireo Afrikanina ireo, ka rehefa nifangaro tamin’ny an’ny tompon-tany izany dia lasa nisy ny fivavahana macumba sy ny candomblé. Na ny hira sy dihy ary sakafo brezilianina koa aza, lasa nifangaro tamin’ny an’ny Afrikanina.

Nandray fanao avy any an-tany hafa koa anefa izy ireo. Nalaina tahaka avy tamin’ny sakafo portogey, ohatra, ny feijoada, sakafo fahandron’ny olona any Brezila. Hena sy tsaramaso mainty natao ketsaketsa izy io, ary hohanina miaraka amin’ny vary sy anana. Mpifindra monina maro koa no nankany Brezila, tamin’ny taonjato faha-19 sy faha-20. Ao ireo avy any Eoropa (indrindra fa ny avy any Alemaina, Italia, Polonina, ary Espaina) sy Japon ary tany hafa.

Misy Vavolombelon’i Jehovah 750 000 eo ho eo izao any Brezila, ary mizara ho fiangonana 11 000 mahery izy ireo. Mampianatra Baiboly olona 800 000 mahery koa izy ireo. Misy ekipa 31 afaka mifindrafindra any, manorina trano ivoriana. Miara-miasa amin’ny Vavolombelona eo an-toerana izy ireo, ka manorina sy manamboatra Efitrano Fanjakana 250 na 300 isan-taona. Tetikasa 3 647, ohatra, no efa vita taorian’ny Martsa taona 2000.

Ny alan’i Amazonia no midadasika indrindra eran-tany

FANTATRAO VE?

Ny Reniranon’i Amazone no be rano indrindra, ary mahatratra 6 275 kilaometatra ny halavany

TOPY MASO

  • Mponina: 201 000 000

  • Renivohitra: Brasília

  • Fiteny: Portogey sy fitenim-paritra 180 mahery

  • Anarana: Avy amin’ny anarana hazo atao hoe brezila ny anaran’ilay tany. Ahazoana loko menamena fampiasa amin’ny lamba io hazo io

  • Toetany: Mafana sy be orana ny any avaratra. Tsy dia mafana kosa ny any atsimo, ary misy lanezy indraindray eny an-tendrombohitra rehefa ririnina

  • Vohon-tany: Efa ho antsasak’i Amerika Atsimo i Brezila. Ny renirano any no anisan’ny midadasika indrindra eran-tany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara