FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 10/13 p. 16
  • Ny Sofin’ny Valala

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Sofin’ny Valala
  • Mifohaza!—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2013
  • Sofina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fihainoana, Fandrenesana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Fandrenesanao — Fanomezana Tokony Hankamamina
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 10/13 p. 16

NISY NAMORONA VE?

Ny Sofin’ny Valala

MANANA sofina miavaka ny karazana valala iray any Amerika Atsimo. Tsy ampy iray milimetatra akory ny haben’ny sofiny, nefa hoatran’ny an’ny olombelona ihany ny fiasany. Na feo lavitra be aza henony sady hainy ny manavaka azy. Ohatra hoe ny feon’ny valala hafa sy ny feo alefan’ny ramanavy rehefa mihaza. Isika olombelona anefa tsy maheno an’izany.

[Kisary, pejy 16]

SOFIN’NY VALALA

Diniho izao: Eo amin’ny tongony roa eo aloha no misy ny sofin’ilay valala. Ahoana no fiasany? Toy ny an’ny olona ihany. Henoiny tsara ireo onjam-peo mba hamantarany hoe feon’inona izany. Hitan’ny mpikaroka koa fa misy taova hafakely ao amin’ny sofin’ny valala. Hoatran’ny balaonina lavalava kely feno rano ilay izy. Misy mitovitovy aminy ihany ao amin’ny sofin’ny olona sy ny biby sasany, fa ny azy fotsiny no bitika dia bitika. Izy io no tena mahatonga azy hahay hanavaka feo sy haheno tsara.

Nilaza i Daniel Robert, mpampianatra ao amin’ny oniversite iray any Royaume-Uni, fa hanampy ny injeniera ny zavatra fantatra momba ny sofin’ny valala. Mety ho hain’izy ireo ny “hanamboatra fitaovana kely kokoa sy mandaitra kokoa hapetaka amin’ny sofin’ny marenina.” Mety hahavita fitaovam-pitsaboana avo lenta koa izy ireo, rehefa mampiasa onjam-peo hitarafana ny ao anatin’ny vatana.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny sofin’ny valala, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara