FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 10/13 p. 8-11
  • Zavatra Telo Tsy Voavidy Vola

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zavatra Telo Tsy Voavidy Vola
  • Mifohaza!—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Fiheveranao ny Vola?
    Mifohaza!—2015
  • Ny Vola ve no Fototry ny Ratsy Rehetra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ahoana no Hahaizana Mitantam-bola?
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Vola
    Mifohaza!—2014
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 10/13 p. 8-11

MATOAN-DAHATSORATRA

Zavatra Telo Tsy Voavidy Vola

MAHAGAGA ihany ny olona sasany. Mbola te hividy an’izao rehetra izao ihany izy nefa ny vola efa tsisy, ny asa tsy azo antoka, ary ny trano aza mety hafoy.

Ny olona hoatr’izany no tena mora sodokan’ny dokam-barotra. Ampirisihana erỳ ny mpividy hoe: ‘Mila manana akanjo lamaody sy fiara tsara tarehy ary entana vaovao ianao!’ Ary raha tsy manam-bola? Tsy olana fa mitrosa fotsiny e! Dia betsaka tokoa no roboka. Mba te hiseho ho mpanankarena mantsy na dia efa bokan’ny trosa aza.

Tsy maintsy hisy farany anefa izany, na ho ela na ho haingana. Hoy ilay boky hoe Mihanaka toy ny Aretina ny Fitiavan-tena (anglisy): ‘Raha mitrosa noho ny rendrarendra fotsiny ianao satria hoe mba te hiseho ho manan-katao, dia toy ny mifoka rongony. Amin’ny voalohany ihany ianao no hoatran’ny sambatsambatra, fa avy eo kivy sady tsy hanana na dia tapa-panjaitra aza.’

Milaza ny Baiboly fa hadalana ny “fampideraderana fananana.” (1 Jaona 2:16) Raha variana loatra mitady vola ianao, dia ho hadinonao ny zavatra tena lehibe eo amin’ny fiainana izay tsy voavidin’ny vola. Ireto misy telo amin’izany:

1. FIANAKAVIANA MIFANKATIA

Malahelo i Brianne,a ankizivavy iray any Etazonia, satria miasa foana ny dadany sady tsy mieritreritra afa-tsy ny mitady vola. Hoy izy: “Efa anananay daholo izay ilainay rehetra ary mihoatra noho izany aza. Dadanay anefa tsy eo foana satria mandeha lava. Ekeko hoe miasa izy, fa na izany aza tokony mba jereny ihany ny fianakaviany!”

Eritrereto izao: Nahoana ny dadan’i Brianne no mety hanenina any aoriana any? Lasa nanao ahoana ny fifandraisan’izy mianaka, noho izy variana loatra miasa? Inona no ilain’ny fianakaviany kokoa noho ny vola?

Toro lalan’ny Baiboly:

  • ‘Fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.’—1 Timoty 6:10.

  • “Aleo mihinana anana ao anatin’ny fifankatiavana, toy izay mihinana omby mifahy ao anatin’ny fifankahalana.”—Ohabolana 15:17.

Tadidio àry hoe: Tsy ny vola mihitsy no mahasambatra ny fianakaviana. Mila miaraka matetika amin’ny fianakavianao kosa ianao. Fitiavana sy tambitamby mantsy no ilain’izy ireo. Izany ihany no mahasambatra.—Kolosianina 3:18-21.

2. FILAMINAN-TSAINA

Hoy i Sarah, 17 taona: “Averimberin’ny mamanay amiko foana hoe manambadia olona manan-karena. Dia asainy mianatra asa koa aho amin’izay mba mahavita tena, hono. Tsy misy afa-tsy ny hoe aiza indray no ahitana vola ny ao an-tsain’ny mamanay.”

Eritrereto izao: Inona avy no mety hampanahy anao momba ny hoavinao? Ara-dalàna aloha ny manahy, nefa rahoviana izany no mety ho tafahoatra? Ahoana no ahitana fa manahy loatra amin’ny resa-bola ny maman’i Sarah? Inona anefa no tokony hataony raha mahay mandanjalanja izy?

Toro lalan’ny Baiboly:

  • “Aza manangona harena ho anareo intsony etỳ an-tany, izay misy bibikely sy harafesina manimba, ary misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra.”—Matio 6:19.

  • ‘Tsy fantatrareo izay hitranga aminareo rahampitso.’—Jakoba 4:14.

Tadidio àry hoe: Na hanangona vola be eran’ny trano aza ny olona, dia tsy miankina amin’izany ny hoaviny. Mety hisy handroba mantsy izany. Na ny olona manam-bola be koa aza mety harary mafy ary mbola ho faty ihany. Tsy mahasakana an’izany mihitsy ny vola! (Mpitoriteny 7:12) Milaza ny Baiboly fa mila mianatra momba an’Andriamanitra sy ny fikasany isika, vao ho azo antoka ny hoavintsika.—Jaona 17:3.

3. FIFALIANA AMIN’NY FIAINANA

Hoy i Tinasoa, 24 taona: “Nampianarin’ny dadanay sy mamanay hanana fiainana tsotra aho. Faly foana izaho sy ilay kambana amiko, na dia tsy nanana afa-tsy izay tena nilainay aza.”

Eritrereto izao: Nahoana no sarotra ny mianina amin’izay tena ilaina? Ianao ve modely tsara ho an’ny fianakavianao amin’izany?

Toro lalan’ny Baiboly:

  • “Raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.”—1 Timoty 6:8.

  • “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.

Tadidio àry hoe: Tsy ny vola sy ny fananana no tena zava-dehibe amin’ny fiainana. Hoy mantsy ny Lioka 12:15: “Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” Tsy ho afa-po amin’ny fiainana mihitsy isika, raha tsy mahafantatra ny valin’ny fanontaniana lehibe toy ireto:

  • Inona ny antony namoronana antsika?

  • Inona no hitranga amin’ny hoavy?

  • Ahoana no hifandraisako amin’Andriamanitra?

Ho faly izahay Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hahita ny valin’ireo fanontaniana ireo.

a Novana ny anarana amin’ity lahatsoratra ity.

Inona no Tena Mahasambatra?

Hoy ilay boky hoe Mihanaka toy ny Aretina ny Fitiavan-tena: “Misy olona tsy misaina afa-tsy vola. Izy ireny no tena mora kivy sy tsy faly amin’ny fiainana, amin’ny ankapobeny. Na dia ny olona vao mitsiriritra te hanan-karena koa aza anefa, dia matetika no mikorontan-tsaina. Maro no lasa farofy ka marary andoha, marary tenda, na marary lamosina. Betsaka aza no mivarilavo amin’ny toaka sy rongony. Hoatran’ny vao mainka fadiranovana ny olona, arakaraka ny imatimatesany amin’ny vola.”

Niova ny Toe-tsain’ny Mpianatra

‘Nanontaniana ny mpianatra teny amin’ny oniversite, tamin’ny 1960 sy 1970 tany ho any, hoe nahoana izy no manao fianarana ambony. Namaly ny ankamaroany hoe satria “mba te ho manam-pahaizana” na “mba te hanana hevitra ijoroana eo amin’ny fiainana.” Vitsy kely no nilaza hoe “mba te ho be vola rehefa miasa.” Niova anefa ny toe-tsain’ny mpianatry ny oniversite, taorian’ny 1990. Lasa ny hahazo vola be mantsy no tanjon’izy ireo eo amin’ny fiainana. Vokatr’izany anefa, dia lasa be dia be ny mpianatra kivy sy mikorontan-tsaina ary mamono tena mihitsy.’—Tambin’ny Fahombiazana (anglisy), nosoratan’ny Dr. Madeline Levine.

“Fanalana Sorisory”

Hoy ny Dr. Madeline Levine, ao amin’ilay boky hoe Tambin’ny Fahombiazana: ‘Lasa “fanalana sorisory” ny miantsena. Rehefa diso fanantenana amin’ny fianakaviana na ny fiaraha-monina na ny fivavahana mantsy ny olona, dia izay sisa no ampiononany ny tenany. Hoatran’ny hoe mba afaka mibaiko ny manodidina anao koa ianao rehefa miantsena, satria ianao no mifidy izay mety aminao sy manao izay tianao. Diso hevitra ihany anefa isika amin’izany. Ireo orinasa lehibe sy mpanao dokam-barotra mantsy no tena mibaiko ny mpividy, raha ny marina. Ataony izay handresena lahatra anao hoe hiova tampoka ny fiainanao raha mividy ny entany ianao.’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara