FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 6/13 p. 12-13
  • Fitsidihana An’i Panama

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana An’i Panama
  • Mifohaza!—2013
Mifohaza!—2013
g 6/13 p. 12-13

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Panama

ILAY lakandrano mampifandray ny Oseana Atlantika sy ny Oseana Pasifika angamba no tena mampahalaza an’i Panama. Toerana ihaonan’ny olona maro koa anefa i Panama satria mampitohy an’i Amerika Avaratra sy Atsimo. Misy foko sy kolontsaina isan-karazany any. Teratany metisy eoropeanina no razamben’ny ankamaroan’ny mponina any.

FANTATRAO VE? “Manofahofa” tanana ny sahona mivolombolamena any Panama rehefa mitady vady na mandrahona ny fahavalony

Nisy foko be dia be tany Panama rehefa tonga tany ny Espaniola mpikaroka tany vaovao, tamin’ny 1501. Mbola misy hatramin’izao ny foko sasany. Iray amin’ireny ny Guna (Kuna taloha), izay mipetraka any amin’ny Vondronosy San Blas sy eny amin’ny morontsirak’i Karaiba akaikin’ny sisin-tany manelanelana an’i Panama sy Kolombia. Mihaza ny Guna, mamboly ny sakafony, ary manjono ka lakana no ampiasainy.

Rehefa manambady ny lehilahy ao amin’ny foko guna, dia lasa mipetraka any amin’ny fianakavian’ilay vehivavy ary miasa ho azy ireo. Rehefa miteraka vavy ny vadiny vao afaka miala ao amin’ny havam-badiny sy manorina ny tokantranony izy.

Misy 300 eo ho eo ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Panama. Atao amin’ny teny espaniola ny fivoriana, ary misy koa amin’ny teny anglisy, goujrati, guna, kreôla any Haïti, ngabere, sinoa, ary Tenin’ny Tanana any Panama.

TOPY MASO

  • Mponina: 3 629 000

  • Renivohitra: Panama

  • Fiteny: Espaniola

  • Fitondrana: Fitondrana entim-bahoaka

  • Toetany: Mafana

  • Vohon-tany: Tendrombohitra mangatsiatsiaka rakotra ala, lemaka feno bozaka, ary ala mandon’ny tany mafana.Misy nosikely 1 600 mahery manodidina ny morontsiraka roa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara