FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 11/12 p. 28
  • Ahoana no Hahazoanao Izay Lazain’ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hahazoanao Izay Lazain’ny Baiboly?
  • Mifohaza!—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Hanao Ahoana Isika Rehefa Maty?
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Inona no mitranga eo amin’ny fahafatesana?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Ilay Lehilahy Maty Nandritra ny Efatra Andro
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Fanantenana Azo Antoka Momba An’ireo Havanao Efa Maty
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Mifohaza!—2012
g 11/12 p. 28

Ahoana no Hahazoanao Izay Lazain’ny Baiboly?

“Samy manana ny fomba anazavany izay lazain’ny Baiboly ny olona. Koa ahoana no ahalalana an’izay fanazavana marina?”

Efa nandre olona niteny an’izany ve ianao? Fantatrao ve fa ny Baiboly ihany dia afaka manazava an’izay voalaza ao? Izao atao: Jereo ny andinin-teny manodidina. Raha mbola tsy mazava aminao ihany ilay izy, dia ampitahao ireo andinin-teny miresaka foto-kevitra iray. Tsy mitoky amin’ny hevitrao ianao amin’izay fa mamela ny Baiboly hitari-dalana anao.

Diniho, ohatra, ny fampianaran’ny Baiboly momba ny maty. Misy andinin-teny enina avy ao amin’ny Baiboly ireto. Mariho fa mifanaraka tsara izay lazainy.

  • “Ny maty tsy mba hidera an’i Jehovah, na izay midina any amin’ny mangingina.”—Salamo 115:17.a

  • “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.”—Salamo 146:3, 4.

  • “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.”—Mpitoriteny 9:5.

  • “Ny fiainan-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao. ... Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao.”—Isaia 38:18, 19.

  • “Ny fanahy izay manota no ho faty.”—Ezekiela 18:4.

  • Hoy i Jesosy Kristy, raha vao maty kelikely i Lazarosy namany: “Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho. Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany ... Ary tamin’izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy.”—Jaona 11:11-14.

Inona no asongadin’ireo andinin-teny ireo? Tsy mitovy amin’ny hevitry ny olona ny fampianaran’ny Baiboly. Lazainy fa rehefa maty ny olona dia maty. Tsy hoe mankany an-danitra izy na any an-toeran-kafa, fa toy ny hoe matory be ka tsy mahalala na inona na inona. Tsy afaka midera an’Andriamanitra àry izy ireo, ary tsy afaka mieritreritra akory.b

Izao ny hevi-dehibe: Ho azontsika ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly rehefa dinihintsika isaky ny foto-kevitra. Izany no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ilana ezaka izany, nefa mazàna isika no tsy maintsy miezaka vao mahavita zavatra tsara.—Ohabolana 2:1-5.

a Avy ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta ireo andinin-teny.

b Ampianarin’ny Baiboly fa ‘hofohazina’ na hatsangana ireo maty ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra, amin’ny fotoana voatondrony. Jereo ny Joba 14:14, 15; Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara