“Mba Omeo Teny Fampiononana re Aho E!”
● Naharay taratasy avy tamin’ny vehivavy iray ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika. Mpiasan’ny sekoly mpikarakara kilemaina sy sembana ara-tsaina izy. Hoy izy: “Nodimandry ny reniko, tamin’ny 9 Mey teo. Tsy hitako izay ilazana ny alaheloko. Volana vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, dia nanao fikarohana momba ny fahafatesana sy ny fomba hiatrehana an’izany aho, satria nilaiko tamin’ny asako ilay izy. Nihevitra aho hoe hanampy ahy koa ilay izy, nefa tsy izany no nitranga.”
Nalahelo be izy, indray mandeha, ka nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: “Mba omeo teny fampiononana re aho e!” Izao koa no nosoratany: “Ny alin’iny dia novakiko ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao. Toy ny hoe natao ho ahy ilay izy. Voalaza ao fa mety ny mitomany. Izao no voalazan’ilay fizarana hoe ‘Ahoana no Hahazakako ny Alaheloko?’: ‘Aza hamaivanina ... ny hasarobidin’ny vavaka. ... Tena ilaina ny fanampian’Andriamanitra. ... Tsy manafoana ny alahelo ny fanampian’Andriamanitra, nefa afaka mahatonga azy io ho mora zakaina kokoa. Tsy midika izany hoe tsy hitomany intsony ianao, na hanadino ilay havanao. Afaka ny ho sitrana anefa ny alahelonao.’ Tena nanampy ahy ireo teny ireo.”
Mila teny fampiononana koa ianao raha nodimandry ny olona iray akaiky anao. Mety hampionona anao na ny olom-pantatrao ny famakiana an’ilay bokikely 32 pejy hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao.
Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso an’ilay bokikely aseho eto aho.
Amin’ny fiteny:
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.