FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 12/09 p. 32
  • Nifikitra Tamin’izay Ninoany Izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nifikitra Tamin’izay Ninoany Izy
  • Mifohaza!—2009
Mifohaza!—2009
g 12/09 p. 32

Nifikitra Tamin’izay Ninoany Izy

◼ Vao haingana, talohan’ny Krismasy, dia nasain’ny mpampianatra azy hamaky tantara momba an’io fety io i Morgan, fito taona, sy ireo iray kilasy taminy. Nampahatsiahivin’i Morgan an’ilay mpampianatra hoe tsy mifanaraka amin’ny Baiboly io fety io. Tsara fanahy ilay mpampianatra ka namela azy hifidy ny tantara hovakiny, izay mifanaraka amin’ny feon’ny fieritreretany.

Nasaina hanatrika ny fizarana loka tany am-pianarana ny fianakavian’i Morgan, tatỳ aoriana. Gaga izy rehefa notolorana loka, noho izy nanana herim-po ka nifikitra tamin’izay ninoany. Nanontaniana izy hoe inona no nahatonga azy hanana herim-po toy izany. Nohazavainy fa miara-mamaky ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe izy sy ny fianakaviany. Misy lesona avy amin’ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny fampianarany ao.

Feno sary miloko io boky 256 pejy io. Manampy ny ray aman-dreny hifampiresaka amin-janany izy io. Anisan’ny resahina ao ny hoe “Nahoana no Ratsy ny Mandainga”, “Mampifaly An’Andriamanitra ve ny Fety Rehetra?”, ary “Inona no Manampy Antsika Handresy ny Tahotra?”

Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso an’ilay boky aseho eto aho.

Amin’ny fiteny:

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara