Lasa Mahafa-po Kokoa ny Fiainan’izy Ireo
◼ Nisy vokany lalina teo amin’ny olona maro namaky azy ny boky “Andao Hanara-dia Ahy.” Hoy ny vehivavy iray: “Vao mainka aho nihevitra hoe tena misy i Jesosy. Lasa fantatro bebe kokoa ny anjara asany. Tiako hahafa-po kokoa ny fiainako, ary te hitory an’ilay vaovao tsara tena ilain’ny olombelona aho.”
Hoy ny raim-pianakaviana iray: “Lasa tsapako hoe tena ilaina ny manahaka ny modely tonga lafatra navelan’i Jesosy ... Nampianatra ahy hisaintsaina ny fampianaran’i Jesosy sy ny toetra nasehony tetỳ an-tany ilay boky. Nanetry tena izy, be fitiavana, tena nanam-paharetana, nankatò, ary nanana fikirizana. Namela modely faran’izay tsara izy, ary lasa te hanahaka azy foana aho.”
Niaiky koa ny lehilahy iray fa tena marina ny teny eo amin’ny fonony aoriana amin’ilay boky hoe: “Jesosy Kristy no Mpitarika notendren’Andriamanitra, ary mila azy ny olona rehetra. ... Hanampy anao ity boky ity, mba hahafantatra bebe kokoa an’i Jesosy sy hanara-dia azy akaiky kokoa.” Hoy ilay lehilahy avy eo: “Tena manampy antsika ilay boky, mba ho tia sy hino an’i Jesosy ary hankatò sy hanara-dia azy.”
Misy pejy 192 ny boky “Andao Hanara-dia Ahy”, ary ahitana sary lehibe miloko miisa 13, izay mampiseho zava-nitranga sasany tamin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay boky hoe “Andao Hanara-dia Ahy” aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.