FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 3/08 p. 32
  • Ilay Fankalazana Lehibe Indrindra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Fankalazana Lehibe Indrindra
  • Mifohaza!—2008
Mifohaza!—2008
g 3/08 p. 32

Ilay Fankalazana Lehibe Indrindra

Ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy izy io. Fa nahoana?

Manasongadina ny fahamarinan’Andriamanitra izy io, ka manaporofo fa afaka ny tsy hivadika mihitsy amin’Andriamanitra ny olombelona.

Izy io no hahazoan’ny olombelona fiainana mandrakizay ao amin’ny tany Paradisa.

I Jesosy mihitsy no nanorina ny fahatsiarovana ny nahafatesany ny alina talohan’ny hahafatesany. Hoy izy tamin’ny mpianany, nandritra io fankalazana tsotra io: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.”—Lioka 22:19, 20.

Hahatsiaro an’io fotoan-dehibe io ve ianao?

Manasa anao ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiara-mankalaza aminy an’io fotoan-dehibe indrindra io. Amin’ity taona ity, dia ny asabotsy 22 Martsa, aorian’ny filentehan’ny masoandro ilay daty. Mba anontanio any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky anao, ny toerana sy ny ora marina hanaovana azy io. Tsy hisy rakitra hotantazana. Horaisina an-tanan-droa ny vahiny mba hihaino lahateny iray ahitana fianarana sy hanatrika ilay fankalazana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara