FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g05 8/11 p. 3
  • Tontolo Voazarazara Noho ny Harena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tontolo Voazarazara Noho ny Harena
  • Mifohaza!—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • “Ireo Fiovana Lalina Indrindra”
    Mifohaza!—1999
  • Nahoana no Tsy Misy Firaisan-tsaina Eran-tany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Fa Mankaiza Daholo ny Harena?
    Mifohaza!—2007
Mifohaza!—2005
g05 8/11 p. 3

Tontolo Voazarazara Noho ny Harena

NIZARA telo teo amin’ny lafiny politika izao tontolo izao nandritra ny tapany faharoa tamin’ny taonjato faha-20, noho ilay ady atao hoe Ady Mangatsiaka. Nisy ny tany nantsoina hoe kominista, ka ny Firaisana Sovietika no tena nitarika azy ireo. I Etazonia kosa no nitarika ny tany tsy kominista. Tsy nifandray intsony ny Firaisana Sovietika sy Etazonia, nefa nifampitsikilo foana. Nantsoina hoe Tany Madinika kosa izay tsy niandany tamin’izy roa tonta, ka tany mahantra ny ankamaroany.

Noheverina ho fanambaniana ilay teny hoe “Tany Madinika” tatỳ aoriana, ka novana hoe “tany tsy dia mandroso.” Lasa nanana heviny ratsy koa io, rehefa nandeha ny fotoana, ka nanomboka nampiasa ilay teny hoe “tany an-dalam-pandrosoana” ny manam-pahaizana momba ny toe-karena. Niova àry ilay teny, ka tsy fahasamihafana ara-politika intsony no tena notondroiny, fa fahasamihafana ara-toe-karena.

Tsy mizara telo eo amin’ny lafiny politika intsony izao tontolo izao, ankehitriny. Mbola misy tsy fitoviana ihany anefa eo amin’ny resaka toe-karena sy indostria. Mbola misy ny tany mandroso sy ny tany an-dalam-pandrosoana. Hita io tsy fitoviana io, rehefa misy mpizaha tany avy any amin’ny tany manankarena tonga any amin’ny toerana misy olona mahantra fadiranovana.

Mipetraka àry ny fanontaniana hoe: Efa natao tsy hitovy mihitsy ve ny fari-piainan’ny olona eran’izao tontolo izao? Sa mba afaka ny hanana fari-piainana mitovy ihany ny manankarena sy mahantra?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

© Qilai Shen/Panos Pictures

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara