FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g05 8/3 p. 31
  • ‘Gazety Tohanan’Andriamanitra’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Gazety Tohanan’Andriamanitra’
  • Mifohaza!—2005
Mifohaza!—2005
g05 8/3 p. 31

‘Gazety Tohanan’Andriamanitra’

MIANATRA Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny lehilahy iray any Nizeria. Nitondra gazety Mifohaza! roa nivoaka vao haingana izy, rehefa nanatrika ny fivoriana nalamin’ny Fikambanana Afrikanina Mikarakara ny Reny sy ny Zaza.

Tamin’ny andro voalohany, dia fantany fa fanazavana avy tao amin’ny iray amin’ireo gazety ireo no nampiasain’ilay mpanao famelabelarana. “Mamy ny Miaina” no foto-kevitr’ireo lahatsoratra nifampitohy tao amin’ilay gazety. (8 Novambra 2001) Navoakan’ilay lehilahy avy hatrany àry ny gazetiny ary narahiny tao ilay fanazavana.

“Ampio ny Vehivavy Vonoin’ny Vadiny” no foto-kevitr’ireo lahatsoratra nifampitohy tao amin’ilay Mifohaza! faharoa, nentin’ilay mpianatra Baiboly. Rehefa hariva ny andro, dia hitan’ny mpisolovava hanana anjara ny ampitso ilay gazety, ka nindraminy. Nopotehiny ny drafitra efa vitany, ary nanomana famelabelarana vaovao niorina tamin’ireo lahatsoratra tao izy, nandritra ny alina. Nanana io gazety io koa ny vehivavy iray teo amin’ny seza tsy lavitra an’ilay mpianatra Baiboly. Navoakany ilay izy ary narahiny tao ny famelabelarana nataon’ilay mpisolovava.

Namaky ireo lahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! ilay mpianatra Baiboly, ka afaka nandroso hevitra tena nahasoa, nandritra ny fifanakalozan-kevitra tamin’ilay fivoriana. Hoy izy: ‘Azoko antoka fa tohanan’Andriamanitra ity gazety ity.’

Te hahazo tsy tapaka amin’io gazety io ve ianao? Miresaha àry amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanaterany izany any aminao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara