‘Nanala ny Fisalasalako Momba ny Anaran’Andriamanitra Ilay Izy’
Izany no nosoratan’ny lehilahy iray, avy any San Diego, any Kalifornia, tao amin’ny taratasiny ho an’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Etazonia. Nanazava izy hoe: “Tia mamaky ny bokinareo aho, na dia tsy mpikambana ao aminareo aza. Manoratra ity taratasy ity aho ho fankasitrahana anareo. Nisarika ny saiko ny bokikely iray nariana teny amin’ny fako, telo andro lasa izay. Nalaiko ilay izy na dia mando aza. Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay no lohateniny, ary nodinihiko tsara ilay izy rehefa avy nohamainiko.”
“Mbola tsy nisy boky nahaliana ahy toy izany hatramin’izay. Mino aho fa tena tsy manan-tsahala mihitsy izy io. Nanala ny fisalasalako rehetra momba ny anaran’Andriamanitra ilay izy. Efa mampiasa io bokikely simba io aho izao, mba hampianarana ireo namako mpivavaka ny amin’ny anaran’Andriamanitra. Anontaniako izy ireo hoe: ‘Iza no anaran’Andriamanitra?’, nefa tsy fantatr’izy ireo ny valiny! Asehoko azy ilay bokikely avy eo. Mba andefaso bokikely vaovao telo amin’ny teny espaniola aho, aza fady.”
Raha te hanafatra ilay bokikely 32 pejy hoe Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.