FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g04 8/1 p. 31
  • Matanjaka Hatrany na dia eo aza ny Zava-tsarotra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Matanjaka Hatrany na dia eo aza ny Zava-tsarotra
  • Mifohaza!—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Olana Mahazo Anao?
    Mifohaza!—2009
  • Manàna Fomba Fijery Tsara Rehefa Miatrika Olana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Fijalianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Izao tontolo izao anjakan’ny fahoriana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Mifohaza!—2004
g04 8/1 p. 31

Matanjaka Hatrany na dia eo aza ny Zava-tsarotra

Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika, araka ny nolazain’ny Baiboly mialoha. (2 Timoty 3:1) Sasantsasany fotsiny amin’ny zava-manahirana mety hampijaly anao ny olana eo amin’ny fianakaviana sy ny aretina ary ny fanahiana ara-bola. Mety hihevitra ianao indraindray fa tsy zakanao izany. Kanefa afaka ny hatanjaka hatrany ianao na dia misy zava-tsarotra aza. Diniho ity ohatra manaraka ity:

Misy karazana violety antsoina hoe Teide maniry any amin’ny nosy Tenerife, lavidavitra ny morontsirak’i Afrika Avaratra. Eo amin’ny 3 700 metatra eo ho eo ny haavon’ny toerana anirian’izy io. Manerinerina ao amin’ilay nosy ny tendron’ny volkano Teide, izay nahazoan’ilay voninkazo ny anarany. Io no toerana avo indrindra ao amin’ilay nosy, ary toy ny tsy misy zavamaniry eny amin’ny tehezany. Mitsonika anefa ny oram-panala rehefa lohataona, ka voatondraka tsara ireo violety mafy aina ireo. Mandrobona indray àry izy, ka toy ny miravaka rojo volomparasy ny tehezan’ilay volkano. Marina fa toa malemy sy marefo ilay voninkazo, nefa afaka mivelona eo amin’io faritra ngazana sy tsy mahatamana io, ary miroborobo mihitsy aza.

Toa an’io violety io, dia afaka miaritra zava-tsarotra koa ianao. Nanampy Vavolombelon’i Jehovah maro hiaritra toy izany ny Baiboly, na dia tamin’ny fotoana nampahory indrindra aza. Natanjaka hatrany, ohatra, ireo nogadraina tany amin’ny toby fitanana tany Alemaina Nazia. “Ratsy noho ny natao tamin’ny olon-kafa rehetra ny nitondrana azy ireo”, hoy ilay mpanao gazety soedoà Björn Hallström. “Noho ny finoany an’Andriamanitra anefa, dia nahazaka kokoa izany noho ny olon-kafa izy ireo.”

Afaka manampy anao hatanjaka hatrany ao anatin’ny zava-tsarotra ny Baiboly, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy anao. Raha te hianatra Baiboly maimaim-poana ianao, dia miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao, na manorata amin’ny adiresy ao amin’ny pejy faha-5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara