Nandray Ilay Izy ny Rehetra
Nasain’ny mpampianatra iray nanomana famelabelarana maharitra 10 ka hatramin’ny 15 minitra avy ireo mpianatra tany amin’ny sekoly iray any Bâle, any Soisa. Samy nifidy izay foto-kevitra tiany izy ireo tamin’izany. I Rosi, 15 taona, dia nifidy ny loha hevitra hoe: “Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany.”
“Fa inona no horesahinao amin’izany?”, hoy ny mpiara-mianatra taminy. “Hiresaka momba ny zava-mahadomelina angaha ianao?”
“Ho hitanareo eo e”, hoy izy.
Nitehaka ny mpianatra rehefa namarana ny famelabelarany izy. Hoy i Rosi avy eo: “Tena tsy ampy ny 15 minitra mba hanazavana ny fomba handraisana soa be indrindra avy amin’ny fahatanorana.” Ka hoy izy: “Manana fanomezana ho anareo rehetra aho.” Nanolotra ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra ho an’ny mpianatra tsirairay izy avy eo, 20 no fitambarany. Voafono tsara sy nisy ny anaran’ny mpiara-mianatra tsirairay avy ireo boky.
Nandray sady nankasitraka ilay boky izy rehetra, ary avy eo samy nandinika ny loha hevitra ao anatin’ilay boky. Toy izao ny sasany aminy: “Inona no Azoko Atao mba Hanomezan’ny Ray Aman-dreniko Ahy Fahalalahana Bebe Kokoa?”, “Ahoana no Hahazoako Tena Namana?”, “Asa Inona no Tokony Hofidiko Hatao eo Amin’ny Fiainako?”, “Ahoana ny Amin’ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?” sy ny hoe “Ahoana no Ahafantarako Raha Tena Fitiavana Izao?”
Misy toko 39 ao amin’ilay boky. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila etsy ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.