FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/7 p. 32
  • “Tonga Ara-potoana Izy Io”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tonga Ara-potoana Izy Io”
  • Mifohaza!—2002
Mifohaza!—2002
g02 8/7 p. 32

“Tonga Ara-potoana Izy Io”

IZANY no nosoratan’ny lehilahy iray, avy any Abakaliki, tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Nizeria. Ny bokikely Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao no noresahiny. Nomen’olona azy vao haingana izy io. Hoy izy:

“Maty i Tochi vady malalako, tamin’ny 18 Jona 2000. Vao tera-bao izy tamin’izay. Tampoka be ilay izy ka nalahelo mafy aho. Lasa donto ny foko avy eo ary tsy nahatsapa na inona na inona intsony aho. Tsapako ho tena banga ny fiainako. Tsy nampino ahy iny zava-nitranga iny, izay anisan’ny loza mafy indrindra nianjady tamiko. Izany rehetra izany no nanjo ahy nandritra ny iray volana mahery. Nisy Vavolombelon’i Jehovah nanome ahy ilay bokinareo hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, tamin’ny volana Jolay. Nampionona ahy tokoa io bokikely io, ary manomboka manarina ny fiainako tsikelikely aho izao, noho ny torohevitra voalaza ao. Tena namelona indray ny fanantenako izy io ary nanampy ahy hahatsapa, fa na dia manjombona aza ny fiainako dia mbola ho avy ilay maraina.”

Mety hampionona anao, na ny olom-pantatrao koa ny famakiana io bokikely 32 pejy io. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila etsy ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao aho.

Amin’ny fiteny:

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara