FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/5 p. 32
  • Boky Manamafy Orina Fanambadiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Boky Manamafy Orina Fanambadiana
  • Mifohaza!—2002
Mifohaza!—2002
g02 8/5 p. 32

Boky Manamafy Orina Fanambadiana

NY VEHIVAVY IRAY ATAO HOE LESLIE, mipetraka any Louisiane, any Etazonia, dia nantsoin’ny solontenan’ny Oniversite Tulane tamin’ny telefaonina, tamin’ny herintaona. Nilaza ilay olona fa teo am-panadinadinana ireo mpivady vao, mipetraka any Louisiane, ny Oniversite Tulane sy ny oniversite iray hafa.

Nanaiky handray anjara i Leslie ary nahazo taratasy nisy fanontaniana maromaro. Nofenoiny ilay izy ary nalefany niaraka taminy ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Nohazavainy fa Vavolombelon’i Jehovah izy mivady ary niara-nianatra io boky io fony nanomana ny fanambadiany.

Nahazo taratasy avy tamin’ny mpiandraikitra ilay fanadihadiana izy ireo, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Hoy izy: “Manantena fatratra izahay fa afaka hampianatra anay izay tokony hatao, mba hananana fanambadiana sambatra sy mafy orina ny mpivady toa anareo. Tsara homarihina fa samy hafa fiaviana ianareo. Izany mantsy matetika no mampikorontana fanambadiana. Hanampy anareo handravona izay mety ho tsy fifanarahana anefa ny fomba nanomananareo ny fanambadianareo, indrindra ny fampiasana fitaovana toy ilay boky nalefanao iny. Mazava ho azy fa tokony hitana ny toerana lehibe indrindra eo amin’ny fanambadiana koa ny zavatra inoana ara-pivavahana. Sambatra ianareo mivady manana finoana matanjaka ary miara-miantehitra amin’ny fanampian’Andriamanitra.

Napetrako eo ambony latabatro ilay boky nalefanao. Asehoko ny mpianatro izy io, rehefa misy amin’izy ireo mila torohevitra momba ny fanambadiana. Izao mihitsy aho vao nahita io boky tena mahafinaritra io.”

Mino izahay fa tena hahasoa anao koa io boky io. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila etsy ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity. Hahazo torohevitra voafaritra tsara ianao, mba hamahana olana sy hahatonga ny fiainam-pianakavianao hahafinaritra, araka ny nanirian’ny Mpamorona azy.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara