Ny Fomba Tsara Indrindra Handraisanao Zavatra Ara-panahy
NAHOANA NO MILA fivavahana ny olona? Misy milaza fa mitady zavatra ara-panahy ny olona mba hilaminan-tsaina eto amin’ity tontolo mikorontana ity. Tsy ampy anefa izany. Hoy ny lahatsoratra tao amin’ny gazety Fandinihana ny Fiaraha-monina: “Tsy ny fitadiavana filaminan-tsaina ihany no ilana ny fivavahana. Efa notadiavin’ny olona foana ny valin’ireto: Avy aiza isika? Ho aiza isika? Nahoana isika no eto?”
Fanontaniana tena lehibe tokoa ireo. Tsy mila valiny azo antoka ve izy ireo, noho izany? Lehibe sy mavesa-danja loatra ireo fanontaniana ireo, ka tsy ho voavaly raha manaraka ny fivavahana nentin-drazana, na izay tiantsika fotsiny, isika. Mila fomba tsara kokoa isika, raha te hahita valiny azo antoka amin’ireo fanontaniana lalina momba ny fiainana ireo.
Misy ve izany fomba tsara kokoa izany? Nilaza zavatra tsara homarihina momba ny Baiboly i Ferrar Fenton, mpandika Baiboly. Nolazainy fa izy io no “hany fanalahidy manokatra ny Zava-miafin’izao Rehetra Izao, sy ny Zava-miafin’ny Olona.” Mamaly fanontaniana momba ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy ny Baiboly. Lazainy amintsika hoe avy taiza isika, inona no dikan’ny fiainana, ahoana no hahasambatra antsika, ary inona no zavatra mbola hitranga. Tsy nisy boky nanan-kery kokoa noho ny Baiboly hatramin’izay, ary tsy nisy boky naharitra fanenjehana maro toa azy io. Nahoana anefa ny olona no tsy miraharaha io boky io, rehefa mitady ny valin’ireo fanontaniana momba ny fiainana?
Maro no tsy nandinika tsara ny fahasamihafana lehibe eo amin’ny Baiboly sy ny fivavahana fantany. Hitany fa nifamono tamin’ny anaran’Andriamanitra ireo milaza tena ho Kristianina. Maro no nitaraina, araka ny gazety Ilay Mpiambina, fa ny “mitady vola no mahaliana kokoa ny pretra, fa tsy ny fitsidihana ny mpiara-mivavaka aminy.” Mihevitra angamba ireo mpitondra fivavahana ireo fa manohana, na mandefitra amin’izany toetra izany ny Baiboly. Mandidy ny Kristianina mba ‘hifankatia’ anefa ny Baiboly, ary milaza amin’ireo mpitory hoe “efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana.” (Jaona 13:34; Matio 10:8) Mety ve àry ny mitsara ny Baiboly amin’ny alalan’ny zavatra ataon’ny olona milaza ho manaja azy io, nefa tsy manaraka izay lazainy akory?
Maro no mino fa sady tsy mifanaraka amin’ny siansa, no mifanipaka, no lany andro ny Baiboly. Tsy marina anefa izany, rehefa dinihina tsara ny Baiboly. Marina fa tsy boky momba ny siansa izy io. Tsy misy diso kosa anefa ny zavatra lazainy, rehefa miresaka zavatra momba ny siansa izy. Anisan’izany ny firesahany momba ny filaharan’ny fipoiran’ireo zavamananaina teto an-tany sy ny endriky ny tany ary ny fomba fikarakarana areti-mifindra. Misy aza zavatra nolazainy efa ela be talohan’ny nahafantaran’ny mpahay siansa azy mihitsy. Ary na dia boky 66 nosoratana nandritra ny 1 600 taona aza no ao amin’ny Baiboly, dia mifanaraka tsara ny zavatra lazainy. Tena tsy lany andro mihitsy koa izy io, satria mampiseho fa takany tsara ny maha olona ny olona.
Milaza zavatra tena lehibe momba ny fivavahana amin’Andriamanitra io boky tsy manam-paharoa io. Lazainy fa tsy maintsy atao araka ny sitrapon’Andriamanitra ny fivavahana, fa tsy araka ny sitrapon’ny olona. (Jaona 5:30; Jakoba 4:13-15; 2 Petera 1:21) Vitsy anefa no tena manaraka izany. Efa hatramin’ny ela no nanaovan’ny olona fivavahana araka izay tiany. Nanamboatra andriamanitra avy tamin’ny hazo, ohatra, ny olona, ka nivavaka tamin’izy ireny. Nampianatra foto-pampianarana noforoniny koa ny fivavahana. Tsy izany koa ve no ataon’ireo manamboamboatra fivavahana mba ho araka izay itiavany azy?
Indro misy zavatra azo atao. Nahoana raha manao toy ny nataon’ny lehiben’ny mpitsara tao amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina? Mpitsara tsy miangatra izy, ka nojereny tamin’ny saina tsy niangatra koa ny porofo manohana sy manohitra ny fahamarinan’ny Baiboly. Inona no vokany? Hoy izy: “Hitako fa tsy boky avy amin’olona ny Baiboly, fa avy amin’Andriamanitra.”
Ahoana no ahafahanao manadihady toy izany? Azonao atao angamba ny mianatra tsy tapaka ny Baiboly, ka mandinika ny valin’ireo fanontaniana napetraka teo am-piandohan’ity lahatsoratra ity. Misy Vavolombelon’i Jehovah enina tapitrisa eo ho eo, any amin’ny tany 235, manao fianarana toy izany. Manome an-tsitrapo ny fotoanany izy ireo mba hiresahana amin’ny olona ny zavatra nianarany. Manolotra fampianarana Baiboly maimaim-poana izy ireo. Nanampy olona an-tapitrisa izany mba hahita finoana tsy mora levona, sady tsy finoana araka izay itiavana azy fotsiny. Tsy fivavahana hafa fotsiny ny Kristianisma marina sy madio hita ao amin’ny Baiboly, fa ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany kosa. Nahoana àry raha mitady izany?—Jaona 17:17.
[Sary, pejy 10]
Ny fomba tsara indrindra hahazoanao zavatra ara-panahy dia ny mianatra momba an’Andriamanitra, avy ao amin’ny Baiboly, sy ny miaraka amin’ireo mpivavaka marina