FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/4 p. 32
  • Nisy Nandinika Izy Ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nisy Nandinika Izy Ireo
  • Mifohaza!—2002
Mifohaza!—2002
g02 8/4 p. 32

Nisy Nandinika Izy Ireo

NISAKAFO maraina tao amin’ny hotely iray any amin’ny tanàna kely any Ohio, Etazonia, ny zatovolahy roa. Niondrika nivavaka mangina toy ny fanaony izy ireo talohan’ny nisakafoanany.

Nanatona azy mirahalahy ary naka ny rosia nisy ny vidin-tsakafony ny vehivavy iray, rehefa avy nandinika azy ireo. Hoy ilay vehivavy tamin’izy ireo: “Be loatra ny zava-dratsy re momba ny tanorantsika, ka tena mahafinaritra ny mahita zatovolahy roa mbola misaotra an’Andriamanitra alohan’ny hisakafoana. Avelao aloako ny vidin-tsakafonareo.”

Taitra be izy roa lahy, nefa nisaotra haingana an’ilay vehivavy. Nieritreritra izy ireo avy eo hoe tokony hasehony an’ilay vehivavy hoe iza ilay Andriamanitra nivavahan’izy ireo. Nankeny amin’ilay vehivavy àry ny iray tamin’izy ireo, nisaotra azy indray, ary nilaza taminy fa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo.

Fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny miara-mianatra ny Baiboly amin’ny fianakaviany. Nanao izany ny ray aman-drenin’ireo zatovolahy ireo. Anisan’ny boky nianaran’ny fianakavian’izy ireo ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Misy toko 19 izy io, ary iray amin’izany ny hoe “Ny Fomba Ahafahanao Manatona Akaiky An’Andriamanitra”, izay miresaka momba ny vavaka.

Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila etsy ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara