FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/3 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—2002
Mifohaza!—2002
g02 8/3 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Loza Nahatsiravina Nihevitra aho hoe amin’ny sarimihetsika ihany ny zavatra sasany no mitranga ka taitra aho namaky ilay tantara hoe “Fiatrehana Loza Nahatsiravina.” (8 Aogositra 2001) Raha vao avy namaky an’ilay lahatsoratra aho, dia nivavaka tamin’i Jehovah mba hanampiany an’i Jonathan sy Oscar ary ny raibe sy ny reniben’i Oscar. Mandrisika antsika ny tantara toy ireny mba hanohy hanome ny tsara indrindra avy amintsika ho an’i Jehovah, dieny mbola tsy mitranga amintsika ny “fotoana sy ny sampona.”—Mpitoriteny 9:11.

E. P., Italia

Nanohina ahy lalina ny namaky ilay tantara mahatsiravina momba ny loza nahazo an’i Theresa sy ny fianakaviany. Tiako ho fantatry ny fianakaviany mihitsy fa tsy andriko koa ny hamihinako an’i Theresa ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’i Jehovah.

L. T., Italia

Efa enin-taona aho izay no nisalasala hoe hatao batisa sa tsia. Tsy tapa-kevitra ny hanao fiovana sasany aho. Nampisaintsaina ahy anefa ny zava-nitranga tamin’i Theresa. Nanjary takatro fa tsy afaka ny ho velona tsy misy an’i Jehovah aho, ary nivavaka taminy tamim-pahatsorana aho. Nampahery ahy ny zava-nitranga tamin’ilay fianakaviana, na dia tena mampalahelo aza izany.

M. L., Repoblika Tseky

Gaga aho hoe misy Vavolombelon’i Jehovah iharan’ny heloka bevava toy ireny koa. Nanampy ahy hahatakatra anefa ilay lahatsoratra fa tsy miaro antsika amin’ny fomba mahagaga akory i Jehovah. Tsy fantatro hoe rahoviana aho no mety hiharan’ny loza, kanefa nahatonga ahy ho vonona hiatrika tsy amin-tahotra ny zava-tsarotra rehetra ny nahitako ny finoana matanjaka nananan’ny fianakavian’i Theresa rehefa niatrika an’iny toe-javatra iny izy ireo.

S. O., Japon

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara