Ny Nahazoany ny Loka Voalohany
Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Lusaka, Zambia, ny tanora iray mba hisaotra noho ny gazety Mifohaza! Nanazava izy fa nahazo ny loka voalohany ny tenany tamin’ny fifaninanana an-tsoratra ho an’ny mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa, noho io gazety io. Nomena an’ity lohateny ity ireo mpianatra mba hanaovan’izy ireo fikarohana: “Fifaninanana ho any Ambony Tsy Taka-maso—Mpandany Vola Indrindra Maneran-tany.” Nanazava ilay tanora hoe:
“Tsy ela aho dia nahita ny Mifohaza! 8 Septambra 1992 [anglisy]. Nisy izay notadiaviko tao amin’ilay gazety. Nampiasa hevitra avy tany amin’ny Mifohaza! hafa koa aho.” Anisan’ny loka voalohany azon’ilay tanora ny seky mitentina eo amin’ny 487 500 FMG. Niteny tamim-pankasitrahana toy izao izy: “Tokony hahazo loka ny gazety Mifohaza!, araka ny hevitry ny olona maro.”
Mahaliana ny olona maneran-tany ny zavatra kasaina hatao any ambony tsy taka-maso any, ka anisan’izany ny fandaharan’ireo governemanta mba hiarovana ny taniny amin’ny fanafihana. Mahatonga ny maro hanontany tena izany raha hisy tontolo iray tsy hisy ady indray andro any. Izany fanontaniana izany indrindra no lohatenin’ny bokikely iray 32 pejy, izay manome porofo mafonja fa tena hisy io tontolo io. Amin’ny fomba ahoana anefa? Ary rahoviana?
Manasa anao izahay hamaky ilay bokikely hoe Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any? Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila etsy ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any? aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.