Avy Amin’ny Mpamaky
Dadabe sy Bebe Misaotra tamin’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Tokony Hifankahalala Tsara Amin’i Dadabe sy i Bebe?” (8 May 2001) Tsy nifankafoy izaho sy ny renibeko. Betsaka ny zavatra nampieritreritra ahy ary nitomany foana aho, rehefa nisaraka ny ray aman-dreniko. Vonon-kanampy ahy foana anefa i Bebe. Nentiny nitory aho ary nampianariny tsikelikely ho tia manompo. Tonga mpitory manontolo andro toa azy aho, efa-taona izao. Hitako tamin’ny masony fa azony ny andinin-teny momba ny Paradisa novakiko taminy, na dia efa voan’ny aretin’i Alzheimer sy tsy nahafantatra ahy intsony aza izy. Maty tamin’ny Septambra 2000 izy. Misaotra betsaka mampianatra ny tanora ny hasarobidin’ny raibeny sy renibeny.
C. R., Etazonia