Reharehany ny Dadany
‘VAO mainka reharehako ny dadako!’, hoy ny nosoratan’ny ankizivavy iray 12 taona tany amin’ny biraon’ny Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Inde. Ilay lahatsoratra tao amin’ny “Fijerena An’izao Tontolo Izao” hoe “Manan-janakalahy Sambatra Kokoa ny Raim-pianakaviana Liana Amin’ny Ataon-janany” tao amin’ny Mifohaza! 8 Septambra 1999, no noresahiny. Izao no fanatsoahan-kevitry ny fandinihana iray nambaran’izy io: Tonga olon-dehibe matoky tena sy be fanantenana ny zanakalahy, rehefa miahy manokana azy ny rainy.
Nilaza ilay ankizivavy fa velom-pankasitrahana sy sambatra erỳ izy sy ny rahavaviny kambana aminy, satria miahy manokana azy ireo toy izany ny rainy. Nomarihiny fa tiany ny fomba iresahan’ny Mifohaza! ny zava-miseho maneran-tany. Nilaza koa izy fa “gazety tena ilain’ny mpianatra” izy io.
Namoaka ilay boky 192 pejy hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanampiana ny fianakaviana hiatrika ireo olana tsy mahazatra atrehiny ankehitriny. Misy tari-dalana mahasoa ny mpianakavy tsirairay ao amin’izy io, na vady izy na ray aman-dreny na ankizy na raibe na renibe, na iza na iza. Anisan’ny toko ahitana fianarana ao amin’izy io ny hoe “Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao”, “Ampio ny Zanakao Zatovo mba Hiroborobo”, “Arovy Amin’ny Fitaomana Mandrava ny Fianakavianao” ary “Tandrovy ny Fihavanana ao Amin’ny Ankohonanao.”
Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila etsy ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity. Hahita soso-kevitra mahasoa anao ianao ao, ka izany dia hanampy anao hamaha ireo olana sy hanana tokantrano mahafinaritra, araka ny nikasan’ilay Mpamorona azy.
□ Mba andefaso ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.