Mizarazara ny Eglizy Anglikanina
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE
NATAO tamin’ny 1998 teo akaikin’ilay katedraly efa 900 taona any Cantorbéry ny Konferansan’i Lambeth faha-13 fanaon’ny Eglizy Anglikanina. Nanao izao fanamarihana tena lehibe izao ny Eveka William Swing, rehefa nandaha-teny tamin’ilay konferansa: “Tsy tokony ho olana intsony ny fivavahana fa tokony hanolotra vahaolana kosa. Tsy hihavana mihitsy ny firenena raha tsy mihavana ny fivavahana.”
Tena miharihary ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny fivavahana. Tsy mitovy hevitra koa ny mpiangona sy ny mpitondra ao amin’ny fivavahana iray ihany. Na dia fanao isaky ny folo taona nanomboka tamin’ny 1948 aza io konferansa io, dia nisy eveka iray tsy nety nanatrika satria nisy eveka vehivavy tao. Nisy tsy nety niara-nandinika ny Baiboly tamin’ireo vehivavy ireo koa na dia tamin’ireo nanatrika tao aza.
Ny momba ny fanokanana ny vehivavy no tena niadian-kevitra tamin’ny konferansa tamin’ny 1988. Ny mikasika ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy kosa no tena nampifanolana tamin’ny 1998. Tapak’ireo eveka tamin’ny farany fa “mifanohitra amin’ny soratra masina” ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Inona anefa no nahatonga izany fanapahan-kevitra izany?
Anisan’ny nety ho anton’izany ny hoe te hanamafy ny fifandraisany amin’ny Katolika ny Anglikanina. Fantatr’izy ireo mantsy fa tsy hifankahazo resaka mihitsy izy roa tonta raha mbola ekeny “ho mpitondra fivavahana ny lehilahy mpiray amin’ny lehilahy na vehivavy mpiray amin’ny vehivavy.” Nety ho antony koa ny fahatahoran’izy ireo ny Silamo. Nilaza ny eveka afrikanina fa “tsy hisy fifanakalozan-kevitra ara-pilazantsara intsony” any amin’ny tany silamo, raha nanala tsiny ny presbitera miray amin’ny lehilahy ilay fanapahan-kevitra.
Nitatitra toy izao momba ny raharaha hafa tao amin’ilay konferansa koa ny gazety Ny Telegrafy Alahady (anglisy): “Ny fampirafesana no olana lehibe indrindra atrehin’ny misionera any amin’ny faritr’i Afrika.” Nisy eveka niteny toy izao rehefa nandinika an’io zava-manahirana ny Anglikanina atỳ Afrika io: “Inona no ataon’ny eveka anglikanina raha misy olona manome vola be ho an’ny Eglizy nefa mampirafy?” Nanamarika ny tsy maintsy ho fiafaran’io resaka io ny gazety Ny Fotoana (anglisy) any Londres, ka nilaza hoe: “Tsy hanisy resaka momba ny fampirafesana mihitsy ireo eveka anglikanina.”
Tamin’io konferansa io vao niady hevitra momba ny fifandraisany amin’ny Silamo ny eveka anglikanina. Nitatitra ny evekan’i Kaduna any Nizeria fa “lalim-paka ny fifankahalan’ny Kristianina sy ny Silamo any.” Nilaza izy fa olona 10 000 mahery no maty tamin’ny ady ara-pivavahana tany amin’io firenena io. Noresahina tamin’izay fa tsy misy afa-tsy ny fianarana tsikelikely momba ny finoana silamo ihany no ahafahana misoroka ny ady ara-pivavahana atỳ Afrika.
Olona 70 tapitrisa mahery maneran-tany no lazaina fa mpikambana ao amin’ny Eglizy Anglikanina, na dia iadian-kevitra aza izany isa izany.a Hanao ahoana ny hiafaran’ireo olona ireo? Tsy tena mahafinaritra loatra ny fandehan-javatra satria nilaza ny gazety Ny Fotoana hoe: “Nahagaga mpitazana sy mpandray anjara maro ilay konferansa satria mitovy be amin’ny fivorian’ny antoko politika ilay izy fa tsy fiangonana kristianina miara-mivavaka.”
Tsy mahagaga raha namarana toy izao ny gazety Ny Fotoana Alahady (anglisy): ‘Fifankahalana sy lolompo no tena nisongadina tamin’ilay fivoriana.’
[Fanamarihana ambany pejy]
a Milaza ny gazety Ny Fotoana fa “toa manaitra” io isa io. “Tsy dia voalaza anefa”, hoy izy, “fa ao amin’ny Eglizin’i Angletera ny 26 tapitrisa amin’ireo. Zara raha misy iray tapitrisa izao no mankany am-piangonana eto [Grande-Bretagne]. Anglikanina anarana fotsiny ny sisa.”
[Sary, pejy 22]
Katedralin’i Cantorbéry, efa 900 taona