FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/12 p. 32
  • Ahoana no Amaliana Izany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Amaliana Izany?
  • Mifohaza!—2001
Mifohaza!—2001
g01 8/12 p. 32

Ahoana no Amaliana Izany?

Maro no manontany toy izany. Nilaza ny mpampianatra iray any Novossibirsk, Rosia, fa sarotra ny mamaly ny fanontanian’ny mpianany momba an’Andriamanitra sy ny fivavahana. Hoy izy tao amin’ny taratasiny:

“Nisy nametraka an’ilay taratasy mivalona hoe ‘Nahoana Ianao no Afaka Mitoky Amin’ny Baiboly’ tao an-tranoko, indray mandeha, ka hitako izy io rehefa nody aho. Mpampianatra tantara aho, ary mifanakalo hevitra matetika amin’ny mpianatra momba ny fiangonana sy ny Baiboly ary Andriamanitra. Sarotra be indraindray ny mamaly ny fanontanian’ny mpianatra.

Nieritreritra aho taloha hoe rehefa manan-java-manahirana ihany ny olona vao mitady an’Andriamanitra. Hitako anefa izao fa tsy izany foana no izy. Manontany koa ny olona hoe: ‘Fa nahoana no izaho no iharan’izao? Iza moa aho? Avy aiza aho? Mankaiza aho rehefa maty?’ Zava-dehibe ny fahitana ny valin’ireo fanontaniana ireo. Toa misy valiny mazava momba izany ao amin’ny Baiboly.”

Namarana toy izao ilay mpampianatra: “Nanoratra ity taratasy ity aho satria te hahalala bebe kokoa momba ny Baiboly sy Andriamanitra.”

Mampiasa ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah mba hamaliana ny fanontanian’ny olona. Diniho, ohatra, ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Ireto no anisan’ireo loha hevitra 19 ao anatiny: “Iza moa Ilay Andriamanitra Marina?”, “Nahoana Isika no Mihantitra sy Maty?”, “Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?” Azonao atao ny manafatra amin’io boky 192 pejy io. Fenoy ilay tapakila etsy ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay aho.

Amin’ny fiteny:

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara