Avy Amin’ny Mpamaky
Tantara Manoratra aminareo aho momba ilay andian-dahatsoratra hoe “Inona no Tokony Hianarantsika avy Amin’ny Tantara?” (8 Martsa 2001) Anisan’ny lahatsoratra niavaka indrindra novakiko hatramin’izay izy ireo. Tsy napetrako ilay gazety, raha tsy voavakiko hatramin’ny farany. Mahavariana ahy matetika ny fikarohana ataonareo mba hanoratana zava-baovao sy tsara ao amin’ireo gazetinareo.
M. C., Etazonia
Fitia Tsy Mifamaly Nalahelo ny zavatra nitranga tamiko aho rehefa namaky an’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana Raha Tsy Te Hiaraka Aminy Aho?” (8 Aprily 2001) Tsy niraharaha ny fihetseham-poko aho ka tena ratsy ny fanambadiako. Hoy mantsy ilay lahatsoratra hoe “tsy fototra tsara hanorenana fanambadiana ny fangorahana olona.”
A. M., Etazonia
Nisy tovolahy nangataka ahy hiaraka taminy, nefa nandà aho satria tsy nitovy ny tanjonay. Mbola namerina ny fangatahany ihany anefa izy. Sahiran-tsaina be aho satria natahotra sao tsy hisy ho tia ahy intsony, raha mandà azy. Tony kokoa anefa aho rehefa namaky an’io lahatsoratra io. Fantatro fa nety ny fanapahan-kevitro.
S. N., Japon
Nisy tovolahy niteny tamiko hoe “Te hiaraka aminao aho”, telo andro talohan’ny nahazoako iny lahatsoratra iny. Very hevitra aho. Tiako izy nefa fantatro fa mbola kely loatra aho. Novakiko ilay lahatsoratra, ary naveriko novakina koa ilay iray hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Mbola Kely Loatra Aho, hoy i Dada sy i Neny, ka Tsy Tokony Hampiaraka—Dia Ahoana?” (8 Febroary 2001) Fantatro amin’izay izao ny tokony hataoko.
R. S., Etazonia
Noheveriko fa tsara ny fanapahan-kevitra noraisiko rehefa nanaiky hiaraka tamin’ny tovolahy iray aho. Efa nilaza ny ray aman-dreniko sy ny namako kristianina matotra fa tsy dia nety loatra ny fanapahan-kevitro, kanefa tsy noraharahaiko izy ireo. Nisaraka taminy aho, afaka iray volana mahery tatỳ aoriana. Raha mba sahy nandà dieny tamin’ny voalohany mantsy aho, dia tsy ho nijaly izahay sy izy.
V. T., Italia