FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/11 p. 32
  • Ahoana no Tokony Hanafaizana ny Ankizy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Tokony Hanafaizana ny Ankizy?
  • Mifohaza!—2001
Mifohaza!—2001
g01 8/11 p. 32

Ahoana no Tokony Hanafaizana ny Ankizy?

“Mipoitra ny zava-manahirana, rehefa omena teny fankasitrahana foana ny ankizy na inona na inona ataony”, hoy ny gazety kanadianina iray. Mihevitra ny ray aman-dreny sasany fa manampy ny zanany hahatsapa tena ho sarobidy kokoa ny fanaovana izany. Araka ny psikology Roy Baumeister anefa, dia “mety tokoa ny fahatsapana ho sarobidy rehefa miorina amin’ny zava-bita tsara, saingy tokony hifantoka amin’ny fampianarana ny zanany hifehy tena, ny ray aman-dreny.”

Mitondra fahavoazana ho an’ny zanany ny ray na reny, rehefa matahotra ny hanitsy ilay zanany nanao zavatra tsy nety. Tadidio fa endriny iray amin’ny fampianarana ny fanitsiana. Ampianarina mantsy ilay ankizy amin’izay, mba tsy hamerina intsony ilay fahadisoana nataony. Mazava ho azy fa mila mitandrina ny ray aman-dreny mba tsy hanitsy ny zanany amin-kasiahana na tsy mifanentana amin’ilay fahadisoana nataony. (Jeremia 46:28) Tokony ho azon’izy ireo antoka fa tsy atao amin’ny fomba tafahoatra ny fanitsiany azy. Milaza toy izao ny Baiboly: “Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.”—Kolosiana 3:21.

Ao amin’ny Baiboly, dia ampifandraisina foana amin’ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy ny fanitsiana, fa tsy amin’ny fahatezerana sy ny halozana. Tokony ho “malemy fanahy amin’ny olona rehetra, ... mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy” ny mpanome torohevitra mahay. (2 Timoty 2:24, 25) Koa tsy tokony ho fomba hahafahan’ny ray aman-dreny hamoaka ny fihetseham-pony àry ny fanitsiany ny zanany. Tsy ankasitrahan’ny Baiboly mihitsy ny fampiasana karazana fanitsiana izay afaka mitondra ratra ho an’ny ankizy.

Nandraisan’ny olona an-tapitrisany maro maneran-tany soa ilay boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, misy pejy 192. Anisan’ireo toko ahitana fianarana ao aminy ny hoe “Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao”, sy ny hoe “Ampio ny Zanakao Zatovo mba Hiroborobo.” Mba hahazoana an’io boky io, dia fenoy ny tapakila etsy ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy aseho eo amin’ilay tapakila, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity. Handray fanoloran-kevitra voafaritra tsara ianao, izay afaka manampy anao hamaha ireo olana ary hitondra ilay fahafinaretana nokasain’ilay Mpamorona ho an’ny fiainam-pianakaviana.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara