Namonjy ny Ainy ny Mifohaza!
“TSY tiako intsony ny ho enta-mavesatra ho an’ny fianakaviako, ka tapa-kevitra ny hamono tena aho.” Izany no nosoratan’ny lehilahy iray avy any Népal. Hoy koa izy: “Nanomana tady aho ary nifidy ny toerana sy ny daty hanaovako izany. Nahazo ny Mifohaza! 22 Febroary 2000 anefa aho, herinandro talohan’ilay daty.”
Toy izao ny lohateny teo amin’ny fonon’ilay gazety: “Iza Indrindra no Mamono Tena?” (frantsay) Nanoratra toy izao ilay lehilahy: “Niady mafy aho mba hananako herim-po handraisana sy hamakiana ilay gazety. Nampiaiky volana ahy ny fanazavany ireo antony folo mitarika ho amin’ny famonoan-tena, ka nampiova hevitra ahy.” Namarana ny taratasiny toy izao izy: “Tsy maintsy mankasitraka izay nataonareo ho ahy aho. Namonjy ny aiko iny lahatsoratra nosoratanareo iny!”
Maro ny antony mahatonga ny fitomboan’ny famonoan-tena. Anisan’izany ny tsy fananan’ny maro zava-kendrena eo amin’ny fiainana. Nanampy olona maro hanantena fiainana tsara kokoa ilay bokikely hoe Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io? Raha tianao ny hanafatra an’io bokikely io, dia fenoy ilay tapakila etsy ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy aseho eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io? aho. Amin’ny fiteny:
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.