Avy Amin’ny Mpamaky
Zatovo Mampiaraka Dimy ambin’ny folo taona aho, ary nankafiziko ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Mbola Kely Loatra Aho, hoy i Dada sy i Neny, ka Tsy Tokony Hampiaraka—Dia Ahoana?” (8 Febroary 2001) Manontany ahy ny ankizy any am-pianarana sao dia mba lehilahy no tiako, satria tsy mampiaraka amin’ny vehivavy aho. Nahazatra ahy ny namaly azy ireo hoe tsy avelan’ny ray aman-dreniko aho. Niriko foana anefa ny hanome valiny tsara kokoa. Voavakiko iny lahatsoratra iny, ka hitako amin’izay izao izay havaly azy ireo. Misaotra indrindra mahatsiaro anay zatovo e!
C. G., Etazonia