FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/9 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2001
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2002
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
  • Ataovy toy “ny Tady Randran-telo” Foana ny Fanambadianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/9 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Fanavotana Fanambadiana Nikorontana ny fanambadiako. Toa tsy nifankatia intsony izahay mivady fa niara-nipetraka fotsiny. Nieritreritra ny hisaraka aho indraindray. Niverina tamin’ny laoniny anefa ny fifankatiavanay noho ny fanampian’io fitohitohizan-dahatsoratra io.

E. R., Espaina

Vady kristianina aho, kanefa nahonena ny fanambadiako tamin’ny taon-dasa. Toa tsy ho azo naverina tamin’ny laoniny intsony ny fifandraisanay satria be loatra ny ratsy nifanaovanay mivady. Rehefa namaky ireo lahatsoratra ireo anefa aho dia toa i Jehovah mihitsy no niteny tamiko hoe: ‘Aza kivy!’ Voatosika hiezaka mafy tokoa aho mba hamelomana indray ny fifankatiavanay taloha. Tsapako fa efa misy akony eo amin’ny vadiko izany. Haverimberiko vakina foana ireo lahatsoratra ireo.

N. H., Japon

Vita batisa vao haingana aho ary manohitra ahy ny vadiko tsy mpino. Nanampy ahy hahita ny fomba hahombiazan’ny fanambadiako ny lahatsoratrareo. Tena tonga ara-potoana mihitsy izy ireo.

W. S., Aostralia

Miadana am-panambadiana aho, ka nihevitra fa tena ilaiko hanampiana ny hafa ireo lahatsoratra ireo. Raha vao nanomboka namaky an’io fitohitohizan-dahatsoratra io anefa aho dia efa nahita lafin-javatra azoko anatanjahana ny fatoram-panambadiako sahady.

M. D., Italia

Nilaza tamiko ny anabavy kristianina iray ao amin’ny fiangonanay fa niady izy sy ilay vadiny tsy mpino ka nisara-toerana. Nilaza tamiko izy, fotoana fohy tatỳ aoriana, fa nihatsara ny tarehin-javatra. ‘Notsakotsakoiny’ ireo lahatsoratra ireo, ary tena nanampy azy hamaha indray ilay olana izany. Nilaza izy fa tena mahasoa ilay fanazavana momba ny fifampiresahana. Nifampody izy mivady.

N. S., Kanada

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara