FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/9 p. 32
  • Sarotra ny Mitaiza Zanaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sarotra ny Mitaiza Zanaka
  • Mifohaza!—2001
Mifohaza!—2001
g01 8/9 p. 32

Sarotra ny Mitaiza Zanaka

Tany tandrefana manankarena i Grande-Bretagne. Tombanana anefa fa isan-taona dia ankizy 100 000 mahery no mitsoaka ny tokantrano any, izany hoe avo roa heny noho ny noeritreretina. Iray isaky ny ankizy 7, noho izany, no mijaly noho ny herisetra na ny fanaovana an-keriny eo amin’ny lahy sy ny vavy.

Milaza i Ian Sparks, talen’ny Fikambanana Mikarakara ny Ankizy fa “rehefa mahatsiaro ho irery sy tsy raharahaina ny ankizy, dia ny mitsoaka ihany no hoheveriny ho vahaolana.” Izao no nanampiny: “Manjo ny ankizy hatraiza hatraiza izany, na monina ao amin’ny faritanàna manankarena izy, na ao amin’ny faritanàna mahantra.”

Andraikitra mavesatra ny mitaiza sy manabe zanaka. Aiza àry no ahazoana fanampiana? Natao ho amin’izany indrindra ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Misy toko 16 izy io, anisan’izany ny hoe “Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao”, “Ampio ny Zanakao Zatovo mba Hiroborobo”, “Arovy Amin’ny Fitaomana Mandrava ny Fianakavianao.” Mirakitra torohevitra azo ampiharina ireo toko 16 ao anatiny, ary mbola zava-dehibe kokoa aza, fa mampiasa ny Baiboly ho loharanom-pahendrena ambony noho ny antsika izy.

Azonao atao ny manafatra iray amin’ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, amin’ny famenoana ny tapakila etsy ambany sy fandefasana azy io any amin’ilay adiresy aseho eo amin’ilay tapakila, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso iray amin’ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara