Avy Amin’ny Mpamaky
Endometriozy Misaotra be dia be noho ilay lahatsoratra hoe “Ny Ady Ataoko Amin’ny Endometriozy”. (8 Aogositra 2000). Fantatra fa voan’ny endometriozy koa aho ary tena nandia fotoan-tsarotra. Tsy nahatakatra mihitsy ny antony nampaharary be ahy matetika ny sasany tamin’ireo anadahiko kristianina. Rehefa avy namaky ilay lahatsoratra anefa izy ireo, dia hafa izao ny fomba fijeriny.
G. S., Jamaika
Toy ny namaky ny tantaram-piainako manokana aho rehefa namaky ny momba an’i Deborah Andreopoulos! Efa nijaly hatramin’ny taona maro aho, ary valin’ny vavaka nataoko io lahatsoratra io. Nanome fampaherezana tena nilaina izy io.
J.C.F., Irlandy
Roa volana sy tapany lasa izay, dia fantatra fa voan’ny endometriozy aho. Ny tena mahavelom-pankasitrahana ahy indrindra dia ny fahafantarako fa tsy irery aho, fa misy vehivavy maro voan’izany koa.
A. W., Goatemalà
Misaotra noho ny firesahana fa tsy eo amin’ilay marary ihany no mihatra ny vokatr’io aretina io, fa eo amin’ny namana sy ny mpianakavy koa. Ny fahitana ny lahatsoratra navoakanareo dia mahatonga ahy hahatsapa fa tena miahy sy tena mahatakatra izay zavatra diavintsika i Jehovah.
N. A., Kanada
Rehefa afaka andro vitsivitsy monja dia hodidiana aho, ary fampaherezana ho ahy ny zavatra niainan’i Deborah Andreopoulos. Mieritreritra aho izao fa afaka miatrika ilay zava-manahirana ahy amin’ny fananana toe-tsaina tsara kokoa.
M. B., Italia