FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/3 p. 32
  • Fanampiana ny Olona Handresy Zava-tsarotra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanampiana ny Olona Handresy Zava-tsarotra
  • Mifohaza!—2001
Mifohaza!—2001
g01 8/3 p. 32

Fanampiana ny Olona Handresy Zava-tsarotra

NAHARAY taratasy avy tamin’ny sekreteran’ny Fikambanana Momba ny Fampandrosoana ny Tanora sy ny Mpiasa, any amin’ny Provansy Atsinanana, ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Sri Lanka. Nangataka nomerao taloha sasantsasany tamin’ny Mifohaza! izy, ary nilaza ny heviny toy izao:

“Hitan’ny tenako sy ireo mpiara-miasa amiko fa ahazoana fianarana, ahalalan-javatra sy mampirisika hanao zavatra no sady lojika sy mampiaiky, ireo gazety nalefanareo tamiko. Tsy mampiely foto-pampianarana kristianina noho ny antony misy ambadika akory, izy ireny, araka ny filazana tsy marina ataon’ny sasany. Hitako kosa fa gazety tsara dia tsara izy ireo.

Mitombo ny isan’ny gazety Mifohaza! (na vaovao na tranainy) angatahin’ny olona, ary tena azo inoana fa mbola hitombo hatrany izany isa izany amin’ireo volana ho avy. Manome fahalalana ho an’ny zokiolona sy ho an’ny tanora ary ho an’ny ankizy, ireo lahatsoratra ao anatin’ny gazetinareo. Manampy ny rehetra handresy ireo zava-tsarotra ankehitriny sy ireo mety hipoitra amin’ny hoavy ho vokatry ny tsy firaikan’ny olona amin’ny fivavahana, izy ireo.”

Tsy nisy fotoana mihitsy nandritra ny tantara izay niatrehan’ny olona samy hafa taona ireo zava-tsarotra atrehin’izy ireo ankehitriny. Manontany tena indrindra ny amin’izay hitranga amin’ny hoavy ny olona maro, sady manontany tena koa raha misy Andriamanitra iray miahy azy ireo. Voavaly amin’ny fomba mahafa-po ny fanontaniana toy ireny ao amin’ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Azonao atao ny manafatra iray amin’izy io raha mameno ny tapakila etsy ambany sy mandefa azy io any amin’ilay adiresy aseho eto, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity, ianao.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara