Lesona Noraisina Avy Tamin’ny Tantaran’i Loida
NAHATONGA mpamaky betsaka hanoratra tatỳ aminay ilay lahatsoratra hoe “Nivoaka avy tao Anatin’ny Fanginana i Loida”. (8 May 2000). Nanohina lalina ny fon’ny maro iny tantara marina iny, tantaran’ny tovovavy iray voan’ny aretin-kozatra vokatry ny fahavoazan’ny atidoha, ary tsy afaka niteny hatreo amin’ny faha-18 taonany. Indreto ny vitsivitsy tamin’ireo filazana voaray.
“Tsy nitsahatra nitomany aho, rehefa namaky ireo hafatr’i Loida ho an’ny fianakaviany, rehefa afaka niteny izy, tamin’ny farany. Ny herim-po sy ny tanjaka nananany, na dia tao anatin’ny toe-javatra sarotra nisy azy aza, dia zavatra hiezahako mafy hotahafina.” — K. G.
“Tena salama tsara aho; indraindray anefa, dia mitaraina momba ny zavatra samihafa aho. Rehefa avy namaky momba an’i Loida aho, dia nivavaka tamin’i Jehovah, ka niala tsiny taminy, satria tsy nankasitraka izay ananako aho.” — R. H.
“Tamin’ny 1980, dia teraka voan’ny aretina maro be ny zandriko lahy, anisan’izany ny aretin-kozatra vokatry ny fahavoazan’ny atidoha, ary tsy afaka miteny izy. Nampirisika ny fianakaviako tsy hilavo lefona mihitsy iny fitantarana iny, na dia mety ho sarotra toy inona aza ny toe-javatra.” — L. W.
“Tovovavy 14 taona aho, ary nihevitra foana fa izaho irery no nanan-java-manahirana. Maniry hahita an’i Loida salama tsara sy hiresaka aminy aho, ao amin’ny Paradisa. Anisan’ireo olona ao amin’ilay lisitra nataoko izy, olona tiako ho hita sy ho namana mandrakizay.” — R. K.
“Nanohina ny foko iny lahatsoratra iny. Tsy maintsy niaritra aretina ara-tsaina sy ara-pihetseham-po isan-karazany aho. Ny famakiana fa tsy andrin’i Loida mihitsy ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra dia vao mainka mahatonga ahy haniry ny ho any.” — P. B.
“Voan’ny aretin-kozatra vokatry ny fahavoazan’ny atidoha koa aho, nefa afaka miteny tsara. Nampahafantarin’iny lahatsoratra iny ahy fa mahita izay rehetra zakaintsika i Jehovah sady mankasitraka ny tsirairay amintsika, noho ny fandraisantsika anjara isam-batan’olona amin’ny fanompoana azy.” — D. J.
“Ny nanohina indrindra ny foko dia ny famakiana fa mbola kely i Loida dia efa nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah, ary koa fa mandray anjara amin’ny asa fitoriana izy. Afaka maka lesona avy amin’i Loida amin’ny lafiny maro isika izay salama kokoa sy matanjaka kokoa.” — A. R.
“Nahatonga ahy hiezaka mafy hihevitra kokoa ny hafa sy izay azoko atao ho azy ireo ny zavatra niainan’i Loida. Tsy hanamaivana ny tombontsoako mihitsy aho, dia ny fahafahako miresaka amin’ny hafa momba an’i Jehovah Andriamanitra.” — B. M.
“Faran’izay tsara iny lahatsoratra iny! Misy mpivady manan-janaka vavy voan’ny aretin-kozatra vokatry ny fahavoazan’ny atidoha, ao amin’ny kongregasiona akaikinay. Handefa carte ho azy ireo aho anio mba hampahafantarana azy ireo fa tena mankasitraka azy ireo sy izay rehetra ataony ho an’ny zanany vavy aho.” — T. G.
“Rehefa ketraka aho, dia manjary tia tena indraindray; i Loida anefa dia maneho fiheverana manokana ny hafa. Izany no iezahako mafy hatao. Mila miezaka mafy kokoa ny ho toa an’i Loida koa aho, sy ny hivavaka amin’i Jehovah rehefa resin’ny hakiviana.” — N. D.
“Efatra ambin’ny folo taona aho, ary voan’ny sohika. Indraindray aho dia mihevitra fa ny aretiko no aretina ratsy indrindra. Rehefa namaky iny fitantarana iny anefa aho, dia nahafantatra fa tsy izany no izy. Misaotra noho iny fitantarana mampalahelo nefa koa mahafinaritra iny, izay manome fanantenana anay.” — M. C.