Avy Amin’ny Mpamaky
Sesitany Tany Siberia Tena nanohina lalina ny foko ilay tantara nampitaintaina momba an’i Lembit Toom hoe “Antsasa-taonjato teo Ambany Fitondrana Jadona Tsy Refesi-mandidy” (8 Martsa 1999), hany ka tsy andriko ny fotoana hanehoako ny fankasitrahako. Nanam-pinoana lehibe an’i Jehovah Andriamanitra izy matoa tafavoaka velona tamin’ny fotoan-tsarotra toy ireny. Tena mendrika an’ilay fahafahana vao azony tokoa ireo rahalahintsika any amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha.
J. D., Etazonia
Taratasy ho An’ny Ray Aman-dreny Tena nampahery be ahy ilay lahatsoratra hoe “Taratasy Manokana ho An’ny Ray Aman-dreniny”. (8 Martsa 1999). Izany koa no tokony ho nosoratako ho an’ny ray aman-dreniko. Ohatra tsara izy ireo teo amin’ny fanatrehana fivoriana kristianina, ny tsy fanapatapahana teo amin’ny fanompoana, ary ny fampisehoana fitiavana mandray vahiny. Mpanampy amin’ny fanompoana ny raiko; tsy maintsy ho be zavatra natao izy tamin’ireo adidy tao tamin’ny kôngregasiôna. Na izany aza, dia matetika izy no nanao fandaharana mialoha mba hialanay voly, ka tsy mba nitsiriritra mihitsy ny mpiara-mianatra taminay izahay. Maty noho ny lozam-pifamoivoizana izy, raha iny handeha hody avy namonjy fivoriambe kristianina iny, ka niova be ny fiainanay. Nanosika ahy hanohy hanompo an’i Jehovah anefa ny fitadidiana ny fomba fiaina narahiny, izay nametraka ilay Fanjakana teo amin’ny toerana voalohany, sy ny finoan-dreniko.
S. K., Japon