Avy Amin’ny Mpamaky
Fitaizana Zanaka Fito Lahy Misaotra noho ilay fitantarana momba an’i Bert sy i Margaret Dickman ao amin’ny nomerao tamin’ny 8 Janoary 1999. Tena nampirisika anay mba hitaiza ny zanakay miisa telo amin’ny fanomezana azy ireo lova ara-panahy tsara izy io. Nankafy ilay lahatsoratra koa ireo zanakay. Mandre azy ireo mifampahatsiahy ny lesona ny amin’i Doug, izay tsy nahazo ny anjara mofomaminy, izahay! Misaotra noho ny namoahanareo fitantarana mampahery toy io.
S. J., Inde
Fanahy Masina Ho tiako ny hisaotra anareo noho ilay lahatsoratra tsara dia tsara hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Inona moa ny Fanahy Masin’Andriamanitra?” (8 Janoary 1999). Na dia Vavolombelon’i Jehovah efa hatramin’ny taona vitsivitsy aza aho, dia maniry foana hianatra misimisy kokoa momba an’i Jehovah Andriamanitra. Tena namaly tsara ilay fanontaniana tao amin’ilay lohateny ilay lahatsoratra, ka mora azo ny heviny. Arakaraka ny ahazoako ny hevitr’i Jehovah sy ny asany no mampitombo ny fitiavako azy.
Y. B., Rosia
Fiarahana Alohan’ny Fanambadiana Nefa Mifanalavitra Diso aoriana loatra ny nahatongavan’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Hiarahana Alohan’ny Fanambadiana Raha Mifanalavitra?” (8 Febroary 1999), raha ny amiko. Avy any Etazonia aho, ary nanomboka nifanoratra tamin’ny tovolahy iray avy any Amerika Latinina. Mbola tsy nahita zava-tsarotra toy izany aho hatramin’izay niainako. Tena tsy afaka ny hahalala olona iray amin’ny alalan’ny taratasy mihitsy ianao, na dia miezaka faran’izay mafy aza mba hilaza ny marina. Koa satria tena mifanalavitra be ianareo roa dia mirona hanonofinofy. Raha ny aminay, dia mifanohitra ny kolontsaina anananay. Rehefa nifarana ny fifandraisana nisy teo aminay tamin’ny farany, dia nihevitra aho fa tsy nisy antony tokony haha velona intsony. Tafavoaka avy tamin’iny zavatra niainako iny ihany aho, noho ny fanampian’ny fianakaviako be fitiavana izay nanohana ahy.
S. H., Etazonia
Efa nanoratra tamin’ny tovovavy iray izay tojo ahy tany amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena iray nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Sarotra ny manazava ny eritreritry ny tena amin’ny olona iray hafa, rehefa tsy mitovy ny kolontsaina sy ny fiteny. Koa manomboka mianatra ny fiteniny àry aho. Tena tsara ilay fanoloran-kevitra hampiasa cassette. Misaotra indrindra.
A. S., Alemaina
Nifanojo tamin’ny anabavy avy any Orient aho tany amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Etazonia. Tena tsy haiko loatra izay fomba ifanoratana taminy. Nivavaka momba izany aho, ary andro vitsivitsy monja taorian’izay dia naharay io lahatsoratra mahatalanjona io aho. Novakiko ilay izy, ary naveriko novakina indray. Voavaly tao avokoa ny fanontaniako rehetra.
G. R., Italia