Avy Amin’ny Mpamaky
Fitaizana Zanaka Fito Lahy Tsy aritro mihitsy ny tsy hanararaotra izao fahafahana izao mba hisaorana anareo noho ilay lahatsoratra hoe “Ireo Zava-tsarotra sy Fitahiana Amin’ny Fitaizana Zanaka Fito Lahy”. (8 Janoary 1999). Hitako fa tena zava-tsarotra tokoa, indrindra fa ho an’ny vehivavy maty vady, ny mitaiza zatovo. Tamin’ny fotoana namakiako io lahatsoratra io vao takatro fa tena mety handalo izany dingana izany koa aho, eo amin’ny fiainan’ireo zanako.
A. R., Etazonia
Avy amin’ny fianakaviana manan-janaka fito koa aho. Hatramin’izay dia nanompo an’i Jehovah tao anatin’ny firaisan-tsaina foana izahay, fa vao enim-bolana eo ho eo izay no naha voaroaka ny iray amin’ireo zandriko vavy. Raha vao nahita ilay lahatsoratra aho, dia tsy ta hamaky ny tantaran’ny fianakaviana iray nahomby. Nivavaka aho mba hahafahako handray soa avy amin’ilay lahatsoratra ka tsy hahatsapa fitsiriritana. Nampahery be ahy ny nahafantatra fa misy fianakaviana izay niaina zavatra toy ny niainanay, ary ny nahafantatra fa miahy ny amin’ny toe-javatra misy anay i Jehovah. Te hisaotra an-dry Dickman aho noho ny nilazany ny tantarany. Azoko antoka fa nahazo fampaherezana sy fampiononana lehibe ny ray aman-dreniko sy ny zandriko, avy amin’io lahatsoratra io.
W. Y., Japon
Liona Misaotra noho ilay lahatsoratra hoe “Liona — Saka Heni-kaja Misy Vombony, Atsy Afrika”. (8 Febroary 1999). Tena zava-dehibe ho ahy io lahatsoratra io, satria efa an-taonany maro aho no tia liona. Miaiky volana ny amin’izy ireny aho, satria tsara tarehy sy be herim-po izy ireny. Ho tiako, indray andro any, ny hiaraka amin’ny “liona tanora”. — Isaia 11:6-9.
E. A. S., Brezila