Troglodyte — Vorona Bitika Avo Feo
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE
NANEMITRA ny tehezan’ny moron-drano ny voninkazo primevères raha mbola namakivaky ireo hazo ny tara-masoandro, ka nandravaka ny zava-maitso vonton’ny ranonorana nandalo. Nipetraka naka aina teo amin’ny hazo nianjera iray aho, ka nijery voron-kely roa nivezivezy haingana teo amin’ny faritra nisy ampanga efa maty, izay nitatao teo ambonin’ny vatolampy iray ambonin’ilay renirano.
Taitra ny fahalianako, ka nitsangana aho mba hijery akaiky. Ilay noeritreretiko mihitsy no hitako teo, tsy inona izany fa akanim-boron-kely troglodyte, voamboatra tsara tamin’ny volonkazo voarary, sy tsara afina tao anaty ampanga vita rary nikirazorazo. Mirefy folo santimetatra monja ilay troglodyte mavitrika, manomboka eo amin’ny tendron’ny vavany ka hatramin’ny tendron’ny rambony. Izy io no iray amin’ireo vorona kely indrindra eto Grande-Bretagne, araka ny fiheveran’ny maro.a Tamin’ny 1937, dia ny sarin’io voron-kely io no nampiasaina voalohany nandravahana ny vola madinika nantsoina hoe farthing, izay vola kely indrindra teto Grande-Bretagne tamin’izany fotoana izany.
Vorona fantatra tsara atỳ Eoropa sy Eurasie ary any Etazonia ny troglodyte. Antsoin’ny tambanivohitra anglisy hoe Jenny wren, na kitty wren ny troglodytes lahy sy vavy. Eto Grande-Bretagne, dia io no vorona miely patrana indrindra sy maro indrindra amin’ny vorona mikotrika rehetra. Mitovitovy amin’ny feo manga sy mangovingovitry ny rôsiniôla ny azy. Avo aoka izany ny feony, hany ka re hatrany amin’ny 800 metatra mahery! Tsy mahazaka ny hatsiaka mamirifirin’ny ririnina anefa ny troglodytes, ary fantatra fa nisy hatramin’ny 75 isan-jato no maty vokatr’izany. Mifidy ny hiara-matory ao amin’ny akaniny ireo troglodytes amin’ny vanim-potoana toy izany, mba hafana hatrany. Indray mandeha, dia nisy troglodytes maherin’ny 60 hita tao anaty boaty iray izay nataony akany. Nifanety tao izy ireo, ka toy ny entana voloina be no fijery azy.
Rehefa volana Aprily, ny lahy dia manorina akany isan-karazany izay voafina tsara, satria tsy hay avahana amin’ny manodidina azy, ary miendrika antsasa-paribolana. Rehefa vitany ireo akany, dia entiny mijery azy rehetra ireny ny vavy. Hifantina iray amin’ireo ny troglodyte vavy avy eo, ka hotemeriny volom-borona ao anatiny. Rehefa hifarana ny Aprily, dia ho efa dimy na enina ny atodiny ao. Fotsy misy pentimpentina mena volontsôkôlà ny atodin’ny troglodytes. Ny vavy irery no hikotrika ireo atody ireo mandritra ny 14 andro, ary afaka tapa-bolana, fara fahakeliny, vao handao ilay akany ireo vorona kely vao ary elatra.
Ara-dalàna raha indroa ny troglodytes no mikotrika mandritra ny fahavaratra, ary raha mbola eo am-pikotrehana fanindroany ny vavy, dia ny lahy kosa no hikarakara ny vorona kely foy tamin’ilay fikotrehana voalohany. Entiny ao amin’ny iray amin’ireo akany hafa namboariny ireo zanany, indraindray. Raha tsara ny fahavaratra, izany hoe betsaka ny bibikely hatao sakafo, dia haka vady faharoa ny lahy, ary hametraka azy io ao amin’ny akany iray hafa tamin’ireo namboariny.
Teo am-pipetrahana teo amin’ilay hazo nianjera aho, dia afaka nahatsapa ny hafanan’ny tara-masoandro amin’izao volana May izao, sady nijery ireo troglodytes roa nivezivezy. Rehefa nipetraka teo amin’ny rantsankazo teo akaikiko izy ireo, dia voamariko ny volony mena volontsôkôlà sy ny elany misy tsipitsipika. Avy eo anefa, rehefa hitan’izy ireo teo amin’ny faritra nisy azy aho, dia nampiakatra ny rambo keliny izy ireo, ary nanomboka nikiokio nandefa ny antso fanairany. Fanasana ahy handao moramora an’ilay toerana izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Latsaka enina milimetatra amin’ny refin’ny troglodytes ny an’ny roitelet tompon-tany, antsoina mahazatra hoe voron-kely manan-tsanga mivolombolamena, sy ny an’ilay voron-kely mpitsidika isan-dririnina, saingy vorona tsy fahita matetika izy ireo. Ireo roa farany ireo no vorona kely indrindra atỳ Eoropa.