FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/8 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Miakanakam-piteny ve Ianao?
    Mifohaza!—2010
  • Ny Fomba Iatrehako ny Fiakanakanam-piteny
    Mifohaza!—1998
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/8 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Fijerena An’izao Tontolo Izao Mpanao gazety aho, ary maro amin’ireo mpiara-miasa amiko no tia mamaky ny tsanganana hoe “Fijerena An’izao Tontolo Izao” mba hakana hevitra hampiasainy amin’ny asany. Miaiky aho fa efa mba nanaitra ny aingam-panahiko ny sasany tamin’ireo lahatsoratra. Mahatalanjona ahy indrindra ireo mpandika teny sy mpitsara ny tsipelin-teny ao aminareo. Tsy ahitana firy izany fari-pahaizana ambony momba ny fiteny izany ao amin’ny fampitam-baovao.

J. B., Tsekoslovakia

Taona maro lasa izay, fony aho vao nanomboka namaky ny Mifohaza!, dia ny “Fijerena An’izao Tontolo Izao” no tsy nankafiziko indrindra. Ankehitriny aho dia mihevitra azy io ho faran’izay ahazoam-pahalalana. Raha ny marina aza, dia noresahina tao amin’ny “Fijerena An’izao Tontolo Izao” ny maro tamin’ireo zava-niseho maneran-tany izay tsy hitako tao amin’ny vaovaon’ny tele. Tohizo ny asa tsara ataonareo!

I. K. M. C., Brezila

Ny Areti-mandringana Nanambara toy izao ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Ny Areti-mandringana — Hifarana ve Izy Io Indray Andro Any?” (8 Desambra 1997): “Mbola ny antony voalohany indrindra miteraka fahafatesana maneran-tany ihany ny areti-mifindra, ka namono olona maherin’ny 50 tapitrisa, tamin’ny 1996 fotsiny”. Milaza anefa ny tatitra iray navoakan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa, tamin’ireo olona maherin’ny 52 tapitrisa maty tamin’ny 1996, dia maherin’ny 17 tapitrisa no maty vokatry ny areti-mifindra na ny aretina avy amin’ny katsentsitra.

B. B., Etazonia

Ny gazety alemà “Nassauische Neue Presse” no nakanay ireo fanamarihana ireo. Miharihary fa diso filaza ny fanambaran’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana ilay lahatsoratra tao amin’io gazety io. Koa ankasitrahanay àry io fanazavana io. — MPAMPANONTA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara