Avy Amin’ny Mpamaky
Mahazo Tsiny Dimy ambin’ny folo taona aho, ary nahatonga ahy ho latsa-dranomaso ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana no Izaho Foana no Diso?” (8 Aogositra 1997). Izaho no faralahy ao amin’ny fianakaviana ary ataon’ny olona foana izay hahasorena ahy. Misaotra noho ny nanoratanareo lahatsoratra momba izany.
N. H., Etazonia
Zanaka Mivelatra Tsara Maniry hisaotra anareo aho, noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra tsara dia tsara hoe “Ampio ny Zanakao Hivelatra Tsara”. (8 Aogositra 1997). Hitako ho tena ilaina sy tena mampahery izy io. Manan-janakalahy telo taona aho, ary nanampy ahy hahatakatra ny fomba fiheviny sy hanatsara ny fomba fifehezako azy io lahatsoratra io. Misaotra indrindra an’i Jehovah aho noho ireny lahatsoratra ireny.
P. S., Italia
Velom-pankasitrahana lalina aho noho ilay lahatsoratra hoe “Teny Henjana, Fanahy Torotoro”. Nahita hotsinìna tamin’ny tenako foana aho hatramin’izay niainako. Faly aho mahita fa tsy manakiana ianareo, fa miezaka amim-pitiavana kosa manampy an’izay rehetra niaritra fijaliana be. Enga anie i Jehovah hanohy hitahy anareo sy hitarika ny fanoratana lahatsoratra izay mahasoa sy mitondra fanamaivanana aoka izany.
L. D., Kanada
Antenaiko fa ireo lahatsoratra ireo dia hanokatra ny mason’ny hafa mba hahitany ny antony fototra mahatonga ny ankamaroan’ny fisafotofotoana anaty izaitsizy izay iaretan’ny ankamaroantsika. Misaotra noho ny namelabelaranareo io loha hevitra io.
L. B., Etazonia
Manampy ahy hanatanteraka tsara kokoa ny asako amin’ny maha-mpampianatra ahy, ao amin’ny akanin-jaza, ny lahatsoratra toy ireny. Misaotra indrindra noho ny fanomezana anay hatrany fanazavana araka ny toetr’andro sy ny fanampiana anay ho tonga olona tsara kokoa.
G. R., Meksika
Nahavelom-panantenana ahy ireo lahatsoratra ireo. Avy amin’ny fianakaviana tsy nizotra ara-dalàna aho, ka matetika aho no mahita fa sarotra ny mahatsapa tena ho mendrika ny hanompo an’i Jehovah sy ny hikarakara ny zanako vavy kely. Hanao araka izay fara heriko aho mba hampiharana ny fanoloran-kevitra ao amin’ilay lahatsoratra. Misaotra noho ny fiahianareo.
A. A., Etazonia