Nanampy Mpampianatra Iray Tany Moscou ny Mifohaza!
Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Rosia ny mpampianatra iray, mba hilazany fa mikasa ny hampiasa ireo lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! any am-pianarana, izy. Hoy ny nohazavainy:
“Araka ny hevitro, dia manampy ahy hanatanjaka ny saiko mba hiaina, sy manarina ny fomba fijeriko zavatra, ary manafaka ahy amin’ny eritreritra mahaketraka, ny Mifohaza! Mankasitraka anareo aho, noho ireo lahatsoratra mahafinaritra momba ny ady ataon’ny olombelona amin’ny mikraoba [nomeraon’ny 22 Febroary 1996 (frantsay)]. Azoko antoka fa mahasoa ny tokantrano rehetra izay manana azy, ireo gazetinareo.” Hoy ny teny nanampiny: “Tena tiako be ny hahazo ny Mifohaza! (...) Tsy isalasalana fa afaka manampy ahy ny gazetinareo.”
Hoy ny vakin’ny taratasy iray mitovy amin’izany, avy any Stavropol, tanàna iray misy mponina maherin’ny 250 000, any amin’ny 1 000 kilaometatra mahery, any atsimo atsinanan’i Moscou: “Maniry hanafatra ny Mifohaza! aho. Tsy ela izay, dia nahazo roa tamin’io gazety io aho. Ireo lahatsoratra dia nampiseho fahatakarana an’ireo zava-manahirana atrehin’ny olona. Ny sasany amin’izy ireo dia nilazalaza ireo zava-misy izay vaovao tamiko. Sambany aho vao nahita filazalazan-javatra araka ny tena izy toy izany.”
Raha irinao ny hahazo nomerao hafa amin’ny Mifohaza!, na ny hisian’ny olona iray hitsidika anao mba hiara-midinika ny Baiboly aminao, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, raha sitrakao, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy eo amin’ny pejy faha-5.